Nitohy tamin’ny fihaonana niarahana tamin’ny avy eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty sy ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny fivoriambe teto amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza androany 05 jona 2026.

Nilaza ny antom-pisiany avy sy nitondra fanazavana ny andraikiny ireo vahiny.

Notakian’ny solombavambahoaka fanazavana ny tohin’ny fitsirihana nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty farany teo ka nitondran’ny filohany, Andriamatoa Rakotondramihamina Jean de Dieu fanazavana, ministera efatra no tena nahitana lesoka sy fandaniana tsy ilaina, ary efa nalefa any amin’ny tompon’andraikitra ny valin’ny fitsirihana.

Tsapa ho olana ny fahataran’ny fandaniana ny lalàna fandravonana (loi de règlement), izay roa taona aorian’ny taona nodiavina ka naneho fahavononana ny solombavambahoaka hijery fomba ahafahana manafohy io fe-potoana io sy ahazoana mandany azy mialoha isaky ny fandinihina ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana arakaraka ny fahatongavan’izany eto amin’ny Antenimierampirenena.

Ny politikan’ny vola, ny ady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana izay sahaniny kosa no nitondran’Andriamatoa Governoran’ny BFM, Andrianarivelo Aivo sy ny mpiara-miasa aminy fanazavana.

Nanome soso-kevitra ny solombavambahoaka mba hazavain’ny BFM amin’ny vahoaka rehetra, indrindra ny any ambanivohitra ny tombotsoa azo amin’ny fanovàna ny vola izay eritreretina  amin’izao vaninandro izao.