Notanterahina androany 29 mey 2026 teto amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza ny fivoriambe nihaonan’ ireo solombavambahoaka sy ireo mpikambana sasany ao amin'ny Governemanta izay ahitana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria Jeneraly BAMA Marima, ary ireo tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny Foloalindahy sy ny ministeran'ny Filaminam-bahoaka.
Ity fihaonana ity dia natao taorian’ny fiantsoana nataon’ireo Solombavambahoaka mba hametrahana fanontaniana mivantana amin’ireo minisitra momba ireo olana sedrain’ny vahoaka eny ifotony mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny filaminam-bahoaka.
 
Anisan’ireo lohahevitra nivoitra ny fangatahana fananganana kaominina vaovao sy ny fanovana ireo kaominina sasany ho kaominina ambonivohitra araka ny fepetra ara-jeografia sy ara-panjakana. Toy izany koa ny fangatahana fananganana faritra vaovao ho an’ireo faritra ahitana distrika maro. Nisy ihany koa ny fanontaniana momba ny olana mianjady amin’ireo sefo fokontany, indrindra ny tsy fahazoana ara-potoana ny tambi-karama sy ny olan’ny fanoloana ary ny fomba tokony hanatanterahana ny fifidianana azy ireo. Ny mahakasika ny fandriam-pahalemana dia nanodidina ny fananganana poste avancé sy ny fampitaovana ny mpitandro filaminana no anisan’ny niverimberina.
Ho setrin’ireo fanontaniana napetraka dia nitondra fanazavana sy valiny ho an’ny solombavambahoaka tsirairay ny minisitra tonga nanatrika ny fihaonana