Nolanian’ny Antenimierampirenena tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana, nandritra ny Fivoriambe natao ny alakamisy 4 jona 2026 ny Volavolan-dalàna laharana faha-024/2025 tamin’ny 08 desambra 2025 mahakasika ny Antoka.
Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitsarana sy ireo teknisianina avy amin’ny ministera niaraka taminy ary ireo teknisianina avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, dia mikendry ny « hanaisotra ireo sakana ara-dalàna sy ara-teknika izay mbola manemotra ny fivezivezen’ny fampindramam-bola » ity volavolan-dalàna ity. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny famatsiam-bola ankehitriny intsony ny rafitra ara-dalàna mifehy ny Antoka ity. Araka ny hevitry ny Mpanatanteraka dia tsy mahavaly ny filàn’ny toekarena intsony ny Lalàna laharana faha-2003-041 tamin’ny 3 septambra 2004 mifehy ny Antoka, ka ilaina ny fanavaozana azy. Noho izany, ity Volavolan-dalàna laharana faha-024/2025 tamin’ny 08 desambra 2025 mahakasika ny Antoka ity dia mikendry ny « hanavao lalina ny rafitra ara-dalàna mihatra amin’ny antoka amin’ny fananana azo afindra, mba hahatonga azy ho fitaovana mora ampiasaina, azo antoka ary mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa ».
 
Nandritra ny fandinihana nataon’ny solombavambahoaka, dia nasongadina manokana ny tombontsoa andrasana ho an’ny olom-pirenena sy ny mpandraharaha madinika ary salantsalany. Naneho ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka ireo solombavambahoaka tamin’ny alalan’ireo fanamarihana sy fanontaniana maro napetrany nandritra ny fandinihana. Anisan’ny nohamafisin’izy ireo ny tokony hanazavana ny sakana sedrain’ny olom-pirenena amin’ny fahazoana tolotra ara-bola sy ny fanamafisana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fampindramam-bola, mba hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny malagasy.
 
Amin’ireo andininy 240 mandrafitra ity volavolan-dalàna ity, dia 51 no nasiam-panitsiana na/sy nasiam-panovana avy amin’ny solombavambahoaka. Solombavambahoaka izay hita fa tena liana ary tena nanokatra ady hevitra tokoa manodidina ity volavolan-dàlana ity. Araka ny fanazavan’ny filoha teo aloha tao amin’ny Vaomieran’ny Làlana, izay nitarika ny asam-baomiera, dia naharitra 45 ora tsy latsaka, nizara ho fivoriana efatra, ny fandinihana sy ny fanitsiana ity volavolan-dalàna ity, niampy ny fihainoana ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika. Ny Fivoriambe nanaovana ny fankatoavana kosa dia naharitra efa ho adiny dimy, mba hanesorana tanteraka ireo ahiahy sy ireo teboka mbola tsy mazava rehetra.

Marihina fa 91 ny isan’ny solombavambahoaka tonga nanatrika ity fivoriana ity, 34 nadefa fiala-tsiny ary 20 no nadray anjara fitenenana.