Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe androany zoma faha-05 jona 2026 ny tolo-dalàna fehizoro laharana faha-003-2024/PL momba ny fanavaozana ny sata mifehy ny mpitsara izay natolotry ny Solombavambahoaka RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, voafidy tao Farafangana.
Rehefa natao ny dinika nandritra ny taona maro niarahana tamin’ireo rafitra isan-tsokajiny eo anivon’ny sehatry ny fitsarana, toy ny ministera, ny filan-kevitra ambonin’ny mpitsara ary ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara dia ity tolo-dalàna ity no vokatra azo aroso entina hanatsarana ny tontolon’ny asan’ny mpitsara.
Ny hampifanaraka ny sata mifehy ny mpitsara amin’ny zava-misy ankehitriny sy fanatsarana ny fitantanana ny asam-pitsarana ary ny fanamafisana ny fahaleovantenan’ny mpitsara no tanjona amin’ity fanavaozana ity. Nohamafisina fa tsy natao hanomezana fahefana mihoa-pampana ny mpitsara akory ny tolo-dalàna, fa kosa manamafy ny fahombiazan’ny asa fitsarana sy ho fiarovana ny mpitsara amin’ny tsindry mety hatrehiny eo am-panatanterahana ny asany.
Ahitana toko folo mamaritra ireo fepetra momba ny fandraisana sy fanendrena mpitsara, ny karama sy tombontsoa isan-karazany, ny fisotroan-dronono, ary indrindra ny fitsipi-pitondran-tena sy ny andraikitra ara-pitsarana takiana amin’ny mpitsara ny tolo-dalàna. Voafaritra ao anatiny fa ireo manana mari-pahaizana MII amin’ny sampana lalàna, ekonomia na fitantanana no afaka mifaninana hiditra amin’ny asam-pitsarana, ary tsy maintsy mahatratra 23 taona ny olona iray vao afaka mitana ny andraikitra maha-mpitsara azy.
Nandritra ny fandinihana azy dia nisy ihany koa ireo soso-kevitra sy fanamarihana nentin’ny minisitra sy ny solombavambahoaka. Anisan’ny noresahina ny fanamafisana ny fanajana ny Lalàmpanorenana, ny mangarahara amin’ny fanendrena sy famindrana andraikitra, ary ny fomba fitantanana ireo raharaha ara-pitsipi-pifehezana.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).