Nanatanteraka ny fivoriana voafaritry ny sata na “réunions statutaires” tany Johannesburg ny 19 mey ka hatramin'ny 22 mey 2026 ireo solombavambahoaka miisa dimy mianadahy, mpikambana ao anatin'ny Vaomiera Maharitra eo anivon'ny FP-SADC, fivoriana izay fanao mialoha ny fivoriambe ka ny andiany faha-59 dia hatao any Seychelles ny 4 hatramin'ny 11 jolay ho avy izao.
 
Anisan'ny nodinihina nandritra ireo fivoriana ireo ny lohahevitra mikasika ny fanamafisana ny fandraisan’andraikitry ny parlemantera amin’ny fampidirana anaty rafitra nasionaly sy ny fampiharana mahomby ireo protokolan’ny SADC ho fampiroboroboana ny fitantanana demokratika, teo ihany koa ny momba ny Lalàna lasitra ho an’ny SADC mikasika ny fanaraha-maso ny fonja.
 
Samy nanome ny antony tsy nankatoavana ny protokolan’ny SADC sasany ny isam-pirenena, indrindra ny ny Lalàna lasitra ho an’ny SADC mikasika ny fanaraha-maso ny fonja ka nilaza ny zava-misy sy ny olana atrehin'ny fonja any @ fireneny tsirairay avy. Nanome sosokevitra ny hanitsiana io Lalàna modely io ny maro avy eo.
 
Namaranana ny fotoam-pivorian’ny isam-baomiera ny fifidianana ny filoha sy ny filoha lefitra isaky ny vaomiera maharitra miisa dimy, ankoatry ny Caucus Régional des Femmes Parlementaires izay efa nahavita ny fifidianana nandritry ny fivoriana nampitain-davitra natao ny 12 mey 2026 lasa teo.