Nandray anjara tamin’ny dinika iraisam-paritra momba ny fitantanana mangarahara ho an’ny famatsiam-bolan’ny antoko politika ny Solombavambahoaka RANDRIATAHINAMALALA Livasoa Moratiavina voafidy tao amin’ny Distrikan’i Betafo.
Notanterahina tao Cape Town ny 04 ka hatramin’ny 07 mey 2026 izany fihaonana izany ary nampivondrona ireo parlemantera tanora avy amin’ireo firenena maro eto amin’ny faritra.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nizara ny traikefany amin’ny maha parlemantera tanora azy izy, indrindra mikasika ny famatsiam-bolan’ny antoko politika aty Afrika Atsimo. Nohazavainy tamin’izany ny lalàna mifehy ny famatsiam-bolan’ny antoko politika eto Madagasikara, dia ny lalàna laharana faha-2011-012 tamin’ny 09 septambra 2011. Nasongadiny ny maha zava-dehibe ny mangarahara sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ara-bola, toy ny fanokafana kaonty amin’ny banky sy ny fandraràna ireo famatsiam-bola mety hiteraka tsy fahatomombanana na hanohintohina ny fahaleovantenan’ny antoko politika.
Nandritra ny andro famaranana ny fihaonana dia nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny Parlemanta Afrikana Tatsimo ao Cape Town ihany koa ireo mpandray anjara. Izany dia nahafahan’izy ireo nijery akaiky ny fomba fiasan’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity sy nifampizara traikefa momba ny fitantanana parlemantera
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).