Ireo Andrimpanjakana Malagasy
Présidence
Prezidansa
Gouvernement
Governemanta
Haute Cour Constitutionnelle
HCC
SENAT
Antenimierandoholona
Avy any ivelany
Assemblée de l'UE
Assemblée de l'UE
Parlement Panafricain
Parlement Panafricain
National Conference of State Legislature
National Conference of State Legislature
Assemblée Parlementaire de la Francophonie
L’Assemblée Parlementaire de la Francophonie
Union Africaine
Union Africaine


NY LALAMPANORENANA

LOHATENY VII : FEPETRA TETEZA-MITA SY SAMIHAFA

Andininy 155 - Ny Filohan'ny Repoblika am-perin'asa, mandra-pahatapitry ny fe-potoana nifidianana azy, dia manao ny asa aman'andraikitry ny Filohan'ny Repoblika voarakitra ato amin'ity Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana ity.

Andininy 156 - Omem-pahefana ny Filohan'ny Repoblika hanao hitsivolana, eo anivon'ny Filankevitry ny Minisitra, handraisana ireo fepetra ilaina ao anatin'ny sehatry ny lalàna ho fametrahana ireo Andrimpanjakana na Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana voalazan'ity Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana ity.
-Andraikitry ny Governemanta ny fametrahana ireo Andrimpanjakana na Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana voalazan'ity Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana ity ao anatin'ny telopolo volana miainga amin'ny vaninandro mampanan-kery ireo hitsivolana ireo.

Andininy 157 - Manohy ny asany ny Antenimierampirenena am-perin'asa mandra-pahatapitry ny fe-potoana nifidianana azy.

Andininy 158 - Manohy ny asany ny Antenimierandoholona am-perin'asa mandra-panavaozana ny mpikambana ao aminy araka ny voalazan'ity Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana ity.

Andininy 159 - Mandra-pitsangan'ireo rafitra momba ny faritra voalazan'ity Lalampanorenana ity dia tendrena eo amin'ny fivorian'ny Filankevitry ny minisitra ny olona izay mitarika ny rafitra mpanatanteraka eny anivon'ny faritra.
-Ireo faritra misy amin'izao fotoana izao dia manohy ny asany araka ny didy aman-dalàna manankery.
- Ny kaomina dia fehezin'ny lalàna manankery.

Andininy 160 - Raha tsy misy fanovana atao any aoriana, ireo fepetra raketin'ny didy aman-dalàna manankery eto amin'ny Repoblika izay tsy mifanohitra amin'ireo voalazan'ity Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana ity dia azo ampiharina hatrany.

 



Tonga soa | Tenin'ny Filoha | Tahirin-tsary | Takelaka | Fifandraisana