Ireo Andrimpanjakana Malagasy
Présidence
Prezidansa
Gouvernement
Governemanta
Haute Cour Constitutionnelle
HCC
SENAT
Antenimierandoholona
Avy any ivelany
Assemblée de l'UE
Assemblée de l'UE
Parlement Panafricain
Parlement Panafricain
National Conference of State Legislature
National Conference of State Legislature
Assemblée Parlementaire de la Francophonie
L’Assemblée Parlementaire de la Francophonie
Union Africaine
Union Africaine


NY LALAMPANORENANA

LOHATENY VI : NY AMIN'NY FANITSIANANY LALAMPANORENANA

Andininy 152 - Ny Filohan'ny Repoblika izay maka fanapahan-kevitra eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, na ireo Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona nanapaka tamin'ny latsabato misaraka nataon'ny antenimiera tsirairay ka nolanian'ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao aminy avy, no mahazo manao volavolam-panitsiana ny Lalàmpanorenana.
-Tsy misy volavola na tolo-panitsiana azo aroso raha toa izany manohintohina ny maha-iray tsy anombinana ny tanim-pirenena.
-Tsy azo ovàna ny maha-Repoblika ny Fanjakana.

Andininy 153 - Tsy lany ny volavola na tolo-panitsiana raha tsy ny telo ampahefatry ny mpikambana ao amin'ny Antenimiera tsirairay no mandany azy.

Andininy 154 - Azon'ny Filohan'ny Repoblika atao eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra ny manapaka fa ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana dia anaovana fitsapan-kevibahoaka.
-Ny volavola na tolo-dalàna fanitsiana ny Lalàmpanorenana dia lany rehefa mahazo ny antsasamanilan'ny vato manan-kery.

 



Tonga soa | Tenin'ny Filoha | Tahirin-tsary | Takelaka | Fifandraisana