|
Andininy 134 : - Ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, manana zo aman'andraikitra eken'ny lalàna ary koa mahatapa-tena ara-pitondrana sy ara-bola, no sehatra eo amin'ny rafim-pitondrana ahazoan'ny olom-pirenena mandray anjara mivantana amin'ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin'izy ireo sy ny mampiavaka azy. -Lalàna no mamaritra ny fari-pananany izay ahitana ny fananana ampiasaina ho amin'ny tombontsoam-bahoaka sy ny fananana manokana. -Ny tany tsy hita tompo sy ireo tsy manan-tompo dia anisan'ny fananana tantanan'ny Fanjakana foibe.
Andininy 135 : - Manana fahefana handray didy amam-pitsika ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. -Ny Fanjakana no mitandro ny tsy hisian'ny fifanipahan'ny didy amam-pitsipiky ny faritra iray amin'ny tombotsoan'ny faritra iray hafa. -Ny Fanjakana no miahy ny hisian'ny fampandrosoana mirindra eo amin'ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana rehetra ; izany dia mifototra amin'ny firaisakinam-pirenena, ny harena azo trandrahana ananan'ny faritra tsirairay avy ary ny fifandanjana isam-paritra amin'ny alalan'ny fepetra hisian'ny fifampitsinjarana mifanentana. -Handraisina fepetra manokana ireo faritra izay tratra aoriana, anisan'izany ny famoronana tahiry manokan'ny firaisankina ho azy ireo.
Andininy 136 : - Ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ampian'ny Fanjakana foibe, no mitandro ny filaminam-bahoaka, ny fiarovana ny fiaraha-monina, ny fitantanan-draharaha sy ny fanajariana ny lafitany, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fanatsarana ny fari-piainana. -Amin'ireo lafiny voalaza ireo dia ny lalàna no mametra ny fitsinjarana ny fahefa-manapaka izay mitsinjo ny tombotsoam-pirenena sy ny an'ny faritra.
Andininy 137 : - Mahatapa-tena ara-bola ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. -Mamolavola sy mitantana ny tetibolany izy ireo, araka ny fepetra mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. -Vatsiana loharanom-bola maro samihafa ny tetibolan'ny Vondrombahoakam-paritra.
Andininy 138 : - Ny Faritra sy ny Kaomina no Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana eto amin'ny tanin'ny Repoblika. -Ny famoronana sy ny famaritana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana isanisany dia tsy maintsy mifototra amin'ny fitoviana eo amin'ny toe-tany, toekarena, sosialy ary kolontsaina. Ny lalàna no mamaritra izany. -Ny anarana omena ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana isanisany dia azo ovana amin'ny alalan'ny didim-panjakana raisina eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, rahefa nakana ny hevitry ny tompon'andraikitra mahefa ny faritra voakasika.
Andininy 139 : - Mitondra tena malalaka ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana amin'ny alàlan'ny antenimierany izay mandamina amin'ny fanapahan-kevitra ataony ireo tandrifim-pahefana omen'ity Lalàmpanorenana ity sy ny lalàna azy ireo. -Tsy tokony mifanohitra amin'ny Lalàmpanorenana sy ny didy aman-dalàna izany fanapahan-kevitra izany.
Andininy 140 : - Mpiasam-panjakana no misolotena ny Fanjakana foibe eny anivon' ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
TOKO FAHAROA : Momba ny Faritra
Andininy 141 : - Miompana indrindra amin'ny lafiny ara toe-karena sy ara piaraha-monina ny andraikitr'ireo Faritra. -Miara miasa amin'ny sampan'asa miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakana, ny Faritra dia mitarika, mampiroborobo, mandrindra ary mampirindra ny fampandrosoana ara toe-karena sy ara-tsosialy, ao anatin'ny fari-piadidiany ; araka izany dia manao ny vinavinam-pandaminana sy ny fanajariana ny lafitany ary ny fampiharana ny hetsika fampandrosoana rehetra izy ireo. -Vovonana iadian'ny lohany eo amin'ny lafiny fampandrosoana ny faritra.
Andininy 142 : - Rafitra samy hafa no misahana ny andraikitry ny asa mpanatanteraka sy ny asa filan-kevitra ao amin'ny faritra.
Andininy 143 : - Olom-boafidy no mitarika ny rantsamangaika misahana ny asa mpanatanteraka araka ny fepetra sy ny pitsopitsony voalazan'ny lalàna. -Izy no tompon'andraikitra voalohany amin'ny tetik'ady sy ny fampiharana ny hetsika fampandrosoana rehetra ao amin'ny faritra iadidiany. - Izy no lehiben'ny fitantanan-draharaha ao amin'ny faritra misy azy.
Andininy 144 : - Ny Filankevimparitra, izay ahitana mpikambana voafidin'ny daholobe mivantana araka ireo fepetra voalazan'ny didy aman-dalàna, no misahana ny asa fanapahana. -Mpikambana feno ao amin'ny Filankevimparitra ny Parlemantera.
Andininy 145 : - Ny lalàna no mametra ny mombamomba ny mpikambana, ny fandaminana sy ny fampandehanana ny Filankevimparitra, ary ny fifidianana ireo mpikambana.
TOKO FAHATELO : Ny amin'ny Kaomina
Andininy 146 : - Ny Kaomina no vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana fototra. -Misokajy ho ambonivohitra na ambanivohitra ny Kaomina araka ny isan'ny mponina ao aminy ka nahatonga azy ireny ho lasa tamba-tanàna ambonivohitra na tsia.
Andininy 147 : - Miara-miasa amin'ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-piaraha-monina ary ara-kolontsaina ny kaomina ao amin'ny faritra misy azy. Manaraka indrindra ireo fotokevitry ny lalàna fototra, sy ny didy aman-dalàna ary koa ny fotokevitra maha mpiray vodirindrina, fampiroboroboana sy fiarovana ny tombotsoan'ny mpiara-monina ny tandrifim-pahefan'izy ireo.
Andininy 148 : - Afaka mivondrona ny samy kaomina hanatanterahana tetikasa fampandrosoana iraisana.
Andininy 149 : - Rafitra samy hafa no misahana ny asa mpanatanteraka sy ny asa fanapahana ao amin'ny kaomina.
Zana-dohateny II : Ny amin'ny loharanom-bola
Andininy 150 : - Toy izao avy ireo loharanom-bolan'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana :
1° ny vola azo avy amin'ny hetra sy haba nolanian'ny Filankevitra ary raisina mivantana ho an'ny tetibolan'ny Vondrombahoakam-paritra ; 2° ny anjara voatokana ho azy avy hatrany tamin'ny vola azo amin'ny hetra sy haba miditra ao anatin'ny tetibolam-panjakana ankapobeny ; 3° ny vola azo avy amin'ny fanomezana avy amin'ny Fanjakana ho an'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tsirairay na miaraka, araka ny zavamisy manokana mahakasika azy ireo, na ho fanonerana ny vesatra mianjady aminy noho ny fandaharan'asa na tetikasa notapahin'ny Fanjakana foibe ka ampiharin'ireny Vondrombahoakam-paritra ireny ; 4° ny vola miditra avy amin'ny fari-pananany ; 5° ireo vola azo avy amin'ny fampiasana ireo sampan-draharaha andoavam-bola eny an-toerana.
Andininy 151 : - Ny fananganana na fanitarana fahefana izay mitarika fitomboan'ny fandanian'ny Vondrombahoakam-paritra dia arahina fampitaovana izay feran'ny lalàna. - Ireo famindram-pahefana rehetra avy amin'ny Fanjakana foibe mankany amin'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia arahina fampitaovana sy fanomezana loharanom-bola mifanentana amin'izay ilaina amin'izany.
|