Ireo Andrimpanjakana Malagasy
Présidence
Prezidansa
Gouvernement
Governemanta
Haute Cour Constitutionnelle
HCC
SENAT
Antenimierandoholona
Avy any ivelany
Assemblée de l'UE
Assemblée de l'UE
Parlement Panafricain
Parlement Panafricain
National Conference of State Legislature
National Conference of State Legislature
Assemblée Parlementaire de la Francophonie
L’Assemblée Parlementaire de la Francophonie
Union Africaine
Union Africaine


NY LALAMPANORENANA

LOHATENY IV : NY AMIN'NY FIFANEKENA SY FIFANARAHANA AMIN'NY ANY IVELANY

Andininy 132 - Ny Filohan'ny Repoblika no mifampiraharaha sy mankatò ny fifanekena amin'ny any ivelany. Ampahafantarina azy ny fifampiraharahana rehetra handraiketana fifanekena iraisam-pirenena tsy ilàna fankatoavana.
-Tsy maintsy lalàna no manome alalana hankatoavana na hanekena ny fifanekem-pihavanana, ny fifanekem-barotra, na ny fifanarahana, na ny fifanekena mikasika ny fandaminana ny rafitra samihafa iraisam-pirenena, ireo izay mampiditra andraikitra ho efaina amin'ny volam-panjakana, ireo izay manova ny fepetra miendrika lalàna, ireo izay mikasika ny fitoetry ny olona, fifanekena tsy hifanafika, ireo izay manova ny faritry ny tanim-pirenena.
-Alohan'izay fankatoavana rehetra atao, dia atolotry ny Filohan'ny Repoblika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ireo fifanekena, mba hohamarinina raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana. Raha tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana izy ireny, dia tsy azo atao ny fankatoavana raha tsy aorian'ny fanitsiana izany.
-Raha vantany vao navoaka ho fantatry ny besinimaro ny fifanekena na ny fifanarahana nankatoavina na nekena ara-dalàna dia manan-kery mihoatra noho ny lalàna raha toa ampiharin'ny ankilany ny fifanarahana na ny fifanekena tsirairay.

Andininy 133 - Ny Praiminisitra no manao fifampiraharahana sy manao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena raha tsy ilàna fankatoavana.

 



Tonga soa | Tenin'ny Filoha | Tahirin-tsary | Takelaka | Fifandraisana