TOKO VOALOHANY : Ny amin'ny foto-kevitra fototra
Andininy 102 -Ny Fitsarana Tampony, ny Fitsarana Ambony sy ireo fitsarana miankina aminy ary koa ny Fitsarana Avo no mitsara araka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna amin'ny anaran'ny Vahoaka Malagasy.
Andininy 103 -Ny Filohan'ny Repoblika no miantoka ny fahaleovantenan'ny Fitsarana.
-Manampy azy amin'izany ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara izay izy no filohany. Ny Minisitra miandraikitra ny Fitsarana no filoha lefitra.
Andininy 104 -Didim-panjakana raisin'ny Filohan'ny Repoblika araka ny fepetra voalazan'ny lalàna fehizoro no anendrena ny mpitsara amin'ny toerana mifanandrify amin'ny laharany na anesorana azy eo amin'ny asany.
Andininy 105 -Eo amin'ny asam-pitsarana sahaniny dia mahaleotena ny mpitsara mpamoaka didy, ny mpitsara sy ny mpitsara mpanampy ka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna ihany no mifehy azy ireo.
-Araka izany, afa-tsy izay voafaritry ny lalàna ary ankoatry ny fampiharana ny fahefana ara-pifehezana, dia tsy azo tohintohinina na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona izy ireo amin'ny asam-pitsarana ataony ho fanatontosana ny andraikiny, afa-tsy noho ny fahadisoana na tsy fahaizana asa miharihary izay voamarin'ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara.
Andininy 106 -Ny mpitsara mpamoaka didy dia tsy azo hetsehina amin'ny toerany ; manao ny asa mifanentana amin'ny toerana tokony hisy azy araka ny laharany izy ; tsy azo afindra toerana izy raha tsy misy fanekena avy aminy raha tsy hoe misy antony ilàna izany amin'ny asa, izay tsy maintsy voamarin'ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara.
Andininy 107 -Ny mpitsara ao amin'ny Fampanoavana dia tsy maintsy mankatò ny ambaratongam-pahefana.
-Na izany aza, tsy azo angatahina amin'izy ireo ny hanatontosa zavatra hita fa mifanohitra tanteraka amin'ny lalàna.
-Ao amin'ny fehinteny sy taky ataony am-bava dia ny feon'ny fieritreretany sy ny lalàna no mibaiko azy.
- Mampiasa ireo mpiandraikitra ny fikarohana fandikan-dalàna izy ary mitarika sy manara-maso ny asan'izy ireo.
Andininy 108 -Ny fanaovana ny asa maha-mpitsara eo anivon'ny Fitsarana isan'ambaratongany dia tsy azo ampirafesina amin'ny asa sahanina ao amin'ny antoko pôlitika, amin'ny asa fanatanterahana andraikitra nahavoafidy eo anivon'ny vahoaka na izay rehetra mety ho fisahanana anton-draharaha ahazoam-bola, afa-tsy ny asa fampianarana.
Andininy 109 -Ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara dia rantsa-mangaika miandraikitra ny fiarovana sy ny famaizana, natao hanao andrimaso ny fanajana ireo fepetra raiketin'ny satan'ny Mpitsara, hanara-maso ny fanajana ny fitsipi-pitondrantena amin'ny maha mpitsara, hanome torolalana hanatsarana ny fomba fitantanana ny raharaham-pitsarana ka anisan'izany ny amin'ireo fepetra raisina amin'ny alalan'ny lalàna na didy amam-pitsipika mikasika ny antokom-pitsarana ary ny mpitsara.
TOKO II : Ny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
Andininy 110 -Misy mpikambana sivy ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ka fito taona no aharetan'ny asa anendrena azy ireo.
- Mpikambana telo amin'izy ireo no tendren'ny Filohan'ny Repoblika, roa fidian'ny Antenimierampirenena, roa fidian'ny Antenimierandoholona, ary roa fidian'ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara.
Didim-panjakana raisin'ny Filohan'ny Repoblika no anendrena ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
-Didim-panjakana ataon'ny Filohan'ny Repoblika no anamarinana ny fanendrena ireo mpikambana hafa.
Andininy 111 -Ny asa maha mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy azo ampirafesina amin'ny maha mpikambana ao amin'ny Governemanta, ao amin'ny Parlemanta, na amin'izay andraikitra rehetra nahavoafidy eo anivon'ny vahoaka, na asa eo anivon'ny antoko pôlitika na eo anivon'ny sendikà na amin'izay rehetra fisahanana anton-draharaha ahazoam-bola, afa tsy ny asa fampianarana.
Andininy 112 -Ankoatry ny antony ampisahanan'ny andininy hafa ao amin'ny Lalàmpanorenana azy, ary araka ny fepetra voalazan'ny lalàna fehizoro dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no :
1° mitsara raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana ireo fifanekena iraisam-pirenena, lalàna, hitsivolana, ary ireo didy aman-pitsipika ataon'ny Fahefana foibe ;
2° mitsara ny fifandiram-pahefana eo amin'ny Andrimpanjakana roa na maromaro, na eo amin'ny Fanjakana foibe sy Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;
3° mitsara ny olana mikasika ny fizotran'ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan'ny Repoblika ary ny fifidianana Solombavambahoaka sy Loholona.
Andininy 113 -Ny Filohan'ny Repoblika dia manolotra ny lalàna fehizoro sy ny hitsivolana hodinihin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana alohan'ny famoahana hampanan-kery azy ireny.
Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana dia tsy azo avoaka hanan-kery. Raha izany no miseho, dia azon'ny Filohan'ny Repoblika atao ny mamoaka hanan-kery ireo andininy hafa amin'ilay lalàna na ilay hitsivolana, na hamerina ny rijanteny manontolo arakaraka ny karazany hodinihin'ny Parlemanta na ny Filankevitry ny Minisitra indray, araka ny trangan-javatra, na koa tsy hamoaka azy hanan-kery.
-
Ny fitsipika anatin'ny Antenimiera tsirairay dia aroso hamarinina raha mifanaraka amin'ny
-Lalàmpanorenana alohan'ny hampiharana azy. Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana dia tsy azo ampiharina.
-Ny Lehiben'ny Andrimpanjakana, na ny ampahefatry ny mpikambana ao amin'ny iray amin'ireo Antenimiera roa tonta dia mahazo mandroso lalàna tsotra eo amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mba hanaovana izany fanamarinana izany.
-Amin'ireo tarehin-javatra voalaza etsy ambony ireo, ny fampakaran-draharaha eo amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mampihantona ny fe-potoana tokony hamoahana ny lalàna hanankery.
Andininy 114 -Ny Lehiben'Andrimpanjakana, na ny ampahefatry ny mpikambana ao amin'ny iray amin'ireo Antenimiera roa tonta, dia mahazo mandroso rijanteny miendrika lalàna na fitsipika, na koa anton-javatra tafiditra amin'ny fahefan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mba hohamarinina ny fifanarahany amin'ny Lalàmpanorenana.
- Raha misy mpiady manasingana eo anatrehanà Fitsarana, fifanoherana amin'ny Lalàmpanorenana dia mampiantona ny fizotry ny raharaha io fitsarana io ka manome azy fe-potoana iray volana hampakarany ny raharaha eo amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay tsy maintsy mamoaka didy ao anatin'ny iray volana.
-Torak'izany, raha misy mpiady milaza eo anatrehanà Fitsarana fa misy fepetra ao amin'ny rijantenin-dalàna na fitsipika manohintohina ny zo fototra ananany eken'ny Lalàmpanorenana dia mampiato ny fizotry ny raharaha io fitsarana io araka ny fepetra voalazan'ny andalana etsy aloha.
-Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana dia mitsahatra tsy manan-kery avy hatrany. Avoaka ao amin'ny Gazetim-panjakana ny fanapahana noraisin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Andininy 115 - Azona lehiben'Andrimpanjakana atao ny maka ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, mikasika ny fifanarahana na tsia amin'ny Lalàmpanorenana volavolan-panapahan-kevitra na ny fivoasana omeny ny fepetra iray raiketin'ity Lalàmpanorenana ity.
Andininy 116 - Mamoaka didy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin'ny fifanolanana miseho amin'ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka.
-Manao fanapahana kosa izy amin'ny anton-javatra hafa tandrifin'ny fahefana ananany, afa-tsy amin'ny tarehin-javatra voalazan'ny andininy faha-115.
-Lazaina ny anton'ny didy sy fanapahana avoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ; tsy azo akarina fitsarana hafa intsony izy ireny. Tsy maintsy ampiharin'ny fahefam-panjakana sy izay rehetra manam-pahefana amin'ny fitondrana sy ny fitsarana.
TOKO III : Ny amin'ny Fitsarana Tampony
Andininy 117 -Ny Fitsarana Tampony no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fampandehanana ara-dalàna ny antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka, ny misahana ny fifanolanana amin'ny Fanjakana, ary ny misahana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana.
-Ao aminy dia ahitana ny :
- Fitsarana Fandravana ;
- Filankevi-panjakana ;
- Fitsarana momba ny Kaonty.
Andininy 118 -Ny Filoha Voalohany sy ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana Tampony no lehiben'io antokom-pitsarana avo io.
-Samy tendrena eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra izy ireo araka ny fanolorana ataon'ny Minisitra miandraikitra ny Fitsarana izay naka ny hevitry ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara.
Andininy 119 -Misy filoha lefitra telo manampy ny Filoha Voalohany ka tendrena tsirairay avy ho filohan'ny Fitsarana Fandravana, ny Filankevi-panjakana, ny Fitsarana momba ny Kaonty.
- Ny filoha lefitra tsirairay dia tendrena eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, araka ny fanolorana ataon'ny Minisitra miandraikitra ny Fitsarana izay naka ny hevitry ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara, araka izay azo atao amin'ireo mpitsara tranainy indrindra ao amin'ny laharana ambony indrindra amin'ny antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka, ny fifanolanana amin'ny Fanjakana na ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana voakasik'izany.
-
Andininy 120 -Ny Fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Tampony dia ahitana :
- Fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Fandravana;
- Kaomisaria jeneralin'ny lalàna ao amin'ny Filankevi-panjakana ;
- Kaomisaria jeneraly momba ny Tahirim-bolam-panjakana ao amin'ny Fitsarana momba ny Kaonty.
Ny lehiben'ireo antokon-draharaha telo ireo no manampy ny Tonia Voalohany Mpampanoa.
- Ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Fandravana, ny lehiben'ny Kaomisaria jeneralin'ny lalàna, ny lehiben'ny Kaomisaria jeneraly momba ny Tahirim-bolam-panjakana dia tendrena eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, araka ny fanolorana ataon'ny Minisitra miandraikitra ny Fitsarana izay naka ny hevitry ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara, araka izay azo atao amin'ireo mpitsara tranainy indrindra ao amin'ny laharana ambony indrindra amin'ny antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka, ny fifanolanana amin'ny Fanjakana na ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana voakasik'izany.
Andininy 121 -Ankoatra ireo andraikitra ampisahanin'ny lalàna manokana azy dia ny Fitsarana Tampony no mitsara ny olana mikasika ny fahefa-mitsara eo amin'ny fitsarana roa avy amin'ny antokom-pitsarana samy hafa.
Andininy 122 -Ny Fitsarana Fandravana no manara-maso ny fampiharan'ireo antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka ny lalàna.
-Ankoatra ireo fahefana eken'ny lalàna manokana ho sahaniny dia izy no manapaka ny amin'ny fangatahana fandravana atao amin'ny didy navoakan'ireo antokom-pitsarana izay tsy misy intsony fampakarana azo atao aminy.
Andininy 123 -Ny Filankevi-panjakana no manamarina ny maha ara-dalàna ny fanapahana noraisin'ny fitondran-draharaham-panjakana sy manara-maso ny fampiharana ny lalàna eo anivon'ny antokom-pitsarana misahana ny fifanolanana amin'ny Fanjakana.
-Araka ny fepetra voalazan'ny lalàna fehizoro, ny Filankevi-panjakana no :
1° mandinika ny fampakarana fitsarana ambony ny fanamarinana ny maha ara-dalàna ny fanapahana maha faobe nataon'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;
2° mitsara ny fangatahana fanafoanana ny fanapahana noraisin'ny manampahefana ao amin'ny fitondrana, ny fangatahana famerenan-jo noho ny fahavoazana vokatry ny asan'ny fitondran-draharaham-panjakana amin'ireo trangan-javatra nitera-pahavoazana, ny fifanolanana mikasika ny hetra ;
3° mitsara ny fampakarana fitsarana ambony na ny fandravana ireo didy navoakan'ny fitsarana misahana ny fifanolanana amin'ny Fanjakana na antokom-pitsarana manokana.
Izy no mitsara ireo raharaha ifanolanana amin'ny fifidianana sasantsasany.
-Azon'ny Praiminisitra atao ny maka hevitra aminy momba ny volavolan'ny rijantenin-dalàna sy ny didy amam-pitsipika ary ny fifanarahana na koa momba ny fivoasana ny voalazan'ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika.
-Araka ny fangatahan'ny Praiminisitra dia afaka mandinika rijantenin-dalàna mikasika ny fandaminana, ny fomba fiasa sy ny andraikitry ny sampan-draharaham-panjakana izy.
Andininy 124 - Ny Fitsarana momba ny Kaonty no:
1° mitsara ny kaontin'ireo mpitam-bolam-panjakana ;
2° manara-maso ny fanatanterahana ny lalàna fitantanam-bolam-panjakana sy ny tetibolan'ny antokon-draharaha miankina amin'ny Fanjakana ;
3° manara-maso ny kaonty sy ny fitantanana ny orinasam-panjakana ;
4° mitsara ny fampakarana ambony natao tamin'ireo didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana momba ny fitantanam-bolam-panjakana na ireo rafi-panjakana miendrika fitsarana ;
5° manampy ny Parlemanta sy ny Governemanta eo amin'ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny lalàna fitantanam-bolam-panjakana.
Andininy 125 -Ny Fitsarana Tampony dia mandefa tatitra isan-taona momba ny asa nosahaniny ho an'ny Filohan'ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny Filohan'ny Antenimiera roa tonta ary ny Minisitra miandraikitra ny Fitsarana.
- Io tatitra io dia tsy maintsy avoaka amin'ny Gazetim-panjakana ao anatin'ny taona manaraka ny fifaranan'ny taom-pitsarana nanaovana azy.
TOKO IV :Ny amin'ny Fitsarana Avo
Andininy 126 -Ny Filohan'ny Repoblika dia tsy tompon'andraikitra noho ny zava-natao teo amin'ny asany na teo am-panaovana ny raharahany afa-tsy ny amin'ny famadihana Tanindrazana na tsy fanajana lehibe sy miverimberina ny Lalàmpanorenana.
-Ny Antenimiera roa tonta no afaka miampanga azy amin'ny alalan'ny latsabato misaraka atao ampahibemaso ary iandanian'ny roa ampahatelon'ny mpikambana ao amin'ny antenimiera tsirairay.
-Ny Fitsarana Avo no mitsara azy ary ny fanonganana no sazy mety hihatra aminy.
-Raha misy ny fanonganana dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mizaha fototra ny fahabangan'ny toeran'ny Filohan'ny Repoblika ; ary atao ny fifidianana Filoha vaovao araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-47 ery aloha. Ny Filoha voaongana dia tsy mahazo milatsaka ho fidina intsony amin'izay rehetra mety ho asan'olomboafidim-bahoaka.
Andininy 127 -Ny Filohan'ny Antenimiera roa tonta, ny Praiminisitra, ny mpikambana hafa ao amin'ny Governemanta ary ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tompon'andraikitra itataovam-pamaizana noho ny zava-natao teo amin'ny asany ka voatondro ho heloka bevava na heloka tsotra tamin'ny fotoana nanaovana izany, ka ny Fitsarana Avo no mitsara azy.
-Ny Antenimiera roa tonta no afaka miampanga azy ireo amin'ny alalan'ny latsabato misaraka iandanian'ny antsamanilan'ny mpikambana ao amin'ny Antenimiera tsirairay.
-Ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana Fandravana no manao ny fampakaran-draharaha ho eo amin'ny fitsarana mahefa.
Andininy 128 -Ny antokom-pitsarana iraisan'ny daholobe no mitsara azy ireo amin'ny heloka nataony ivelan'ny fanaovany ny asany.
-Ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana Fandravana no manao ny fampakaran-draharaha ho eo amin'ny fitsarana mahefa.
-Amin'ny heloka tsotra dia ny Filohan'ny Fitsarana no mitarika ny fotoana, ary raha misy ny tsy fahafahany dia Filoha lefitra iray no manao izany.
- Ampiharina koa amin'ireo Solombavambahoaka, loholona na ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fepetra voalazan'ireo andalana telo etsy aloha.
Andininy 129 -Manana fahefana feno sy tanteraka hitsara ny Fitsarana Avo.
Andininy 130 -Misy mpikambana sivy ao amin'ny Fitsarana Avo dia :
1° ny Filoha voalohan'ny Fitsarana Tampony, Filoha, izay soloin'ny Filohan'ny Fitsarana Fandravana avy hatrany raha misy tsy fahafahany ;
2° filohan'ny Rantsana roa avy ao amin'ny Fitsarana Fandravana sy mpisolo toerana roa notendren'ny fivoriamben'io fitsarana io ;
3° filoha voalohany roa avy aminà Fitsarana Ambony sy mpisolo toerana roa notendren'ny Filoha Voalohan'ny Fitsarana Tampony amin'ny fiatombohan'ny fepotoana fanaovan-dalàna ;
4° solombavambahoaka tompon-toerana roa sy mpisolo toerana roa nofidian'ny Antenimierampirenena amin'ny fiatombohan'ny fepotoana fanaovan-dalàna ;
5° loholona roa tompotoerana sy mpisolotoerana roa nofidian'ny Antenimierandoholona amin'ny fiatombohan'ny fepotoana fanaovan-dalàna ;
-Ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana Tampony ampian'ny iray na maromaro amin'ireo mpitsara ao amin'ny Fampanoavana iadidiany no miandraikitra ny fampanoavana. Raha misy tsy fahafahany dia ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana Fandravana no misolo toerana azy.
-Ny lehiben'ny mpiraki-draharahan'ny Fitsarana Tampony no mpiraki-draharahan'ny Fitsarana Avo avy hatrany. Izy no mitazona ny firaketana an-tsoratra. Raha misy tsy fahafahany dia ny lehiben'ny mpiraki-draharahan'ny Fitsarana Fandravana no misolo azy.
Andininy 131 -Ireo fepetra voalazan'ity Lalàmpanorenana ity dia tsy misakana ny fankatoavana ny satan'ny Fitsarana Ambony Irasampirenena momba ny Ady heloka natao tao Rôma ny 17 jolay 1998 sy ny fanatanterahana ireo adidy naterak'izany araka ny voalazan'io sata io.