TOKO VOALOHANY : Ny amin'ny Antenimierampirenena
Andininy 67 -Fidin'ny daholobe hiasa mandritry ny dimy taona amin'ny alalan'ny latsabato mivantana ny mpikambana ao amin'ny Antenimierampirenena ka izay mahazo vato be indrindra no lany.
Solombavambaboaka no iantsoana azy ireo.
Andininy 68 -Tsy azo ampirafesina amin'ny andraikitra hafa maha olomboafidim-bahoaka sy izay mety ho fisahanana asam-panjakana hafa afa-tsy ny fampianarana ny asan'ny Solombavambahoaka.
Mitsahatra avy hatrany amin'ny asa maha-mpikambana azy ao amin'ny Antenimierampirenena ny Solombavambahoaka voatendry ho mpikambana ao amin'ny Governemanta.
Manatanteraka ny asany araka ny feon'ny fieritreretany ary manaja ny hasin'ny asany araka ny voafaritra ao amin'ny andininy faha-76 etsy ambany ny Solombavambahoaka.
Tsy maintsy manatrika ny fivoriana izy. Foana avy hatrany ny tambikaramany raha tsy nisy fanamarinana ny tsy fahatongavany.
Zo manokan'ny Solombavambahoaka ny fahefana mandatsabato.
Ampahibemaso ary amin'ny alālan'ny tsangan-tānana no anaovana ny latsabato afa-tsy amin'izay mahakasika manokana ny mpikambana ao amin'ny Antenimierampirenena
Andininy 69 -Didim-panjakana raisina eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra no mametra ny isan'ny mpikambana ao amin'ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana toerana eran'ny tanin'ny Repoblika sy ny fizarazarana ny fari-pifidianana.
Andininy 70 -Tsy misy solombavambahoaka azo enjehina, karohina, samborina, tazonina am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsabato nataony teo am-panaovana ny asany.
Tsy azo samborina ny Solombavambahoaka mandritra ny fotoam-pivorian'ny Antenimierampirenena, amin'ny raharaha mikasika ny adiheloka bevava na adiheloka tsotra raha tsy nahazoan-dālana tamin'ny Antenimierampirenena, afa-tsy ny hoe tra-tehaka ho tompon-keloka, mpiombon-keloka na mpiray tetika taminā heloka bevava na heloka tsotra teo am-panatanterahana fandikan-dalāna izy.
Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin'ny birao maharitry ny Antenimierampirenena ny tsirairay momba ny tsy fahavitan'ny Solombavambahoaka iray ny asa nankinina taminy na momba ny fihetsika tsy mety nataony. Tsy maintsy manome valiny an-tsipiriany ao anatin'ny enim-bolana ny birao maharitra.
Andininy 71 -Fidiana eo amin'ny fiandohan'ny fotoam-pivoriana voalohany ny Filohan'ny Antenimierampirenena sy ny mpikambana ao amin'ny birao ka mandritra ny faharetan'ny fotoana ifidianana azy no maha Filoha sy birao azy ireo. Na izany aza, raha misy antony lehibe dia azo esorina amin'ny asa maha-mpikambana azy avy ao amin'ny birao izy ireo amin'ny alālan'ny latsabato niandanian'ny roa ampahatelon'ny Solombavambahoaka.
Andininy 72 -Mivory ara-potoana tsy misy fepetra indroa isan-taona ny Antenimierampirenena. Ferana ho enimpolo andro ny fotoam-pivoriana isanisany.
Manomboka ny talata voalohan'ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany, fa ny talata fahatelon'ny volana oktobra kosa no fotoam-pivoriana faharoa izay atokana indrindra handaniana ny lalāna itantanana ny volam-panjakana.
Andininy 73 -Mivory tsy ara-potoana araka ny laha-dinika voafetra ny Antenimierampirenena noho ny fanaikana ataon'ny Filohan'ny Repoblika na noho ny fangatahan'ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao aminy ka nekena tamin'ny alālan'ny didim-panjakana noraisin'ny Filohan'ny Repoblika teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra.
Tsy mihoatra ny roa ambin'ny folo andro ny faharetan'ny fotoam-pivoriana. Na izany aza, raha vantany voadiniky ny Antenimierampirenena ny laha-dinika niantsoana azy dia faranana amin'ny didim-panjakana ny fivoriana.
Ao anatin'ny iray volana manaraka ny fifaranan'ny fivoriana tsy ara-potoana dia ny Filohan'ny Repoblika irery ihany no mahazo manaika fivoriana vaovao.
Andininy 74 -Ampahibemaso ny fivoriana ataon'ny Antenimierampirenena. Anaovana fitanana an-tsoratra izany, ary havoaka ho fantatry ny besinimaro araka ny fepetra voalazan'ny lalāna.
Mivory tsy ampahibemaso ny Antenimierampirenena raha toa ka angatahin'ny Governemanta na ny ampahefatry ny mpikambana ao aminy izany. Anaovana fitanana an-tsoratra ny fifandaharana.
Andininy 75 -Manao fivoriana manokana avy hatrany ny Antenimierampirenena vaovao ny talata faharoa manaraka ny fanambarana ny vokatry ny fifidianana azy mba hananganany ny biraony.
Mifarana ny fivoriana raha vao tapitra ny laha-dinika.
Andininy 76 -Ny fitsipika mifehy ny fandaminana ny Antenimierampirenena dia faritan'ny lalāna fehizoro raha eo amin'ny fotokevitra ankapobeny ary faritan'ny fitsipika anatiny raha eo amin'ny fampiharana azy. Avoaka ao amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika ny fitsipika anaty.
TOKO II : Ny amin'ny Antenimerandoholona
Andininy 77 -Loholona no iantsoina ireo mpikambana ao amin'ny Antenimierandoholona. Dimy taona no fepotoana iasany.
Andininy 78 -Ny roa ampahatelon'ny mpikambana ao amin'ny Antenimierandoholona dia nofidiana ka mitovy ny isany avy any amin'ny faritra tsirairay ary mpikambana notinendrin'ny Filohan'ny Repoblika noho ny fahaizany manokana ao amin'ny lafin'ny lalāna, toe-karena, sosialy sy koltoraly ny ampahatelony.
Azo foanana araka ny fombafomba nanendrena azy ny fanendrena Loholona raha misy antony lehibe marim-pototra. Manapitra ny fe-potoana iasan'ny teo aloha ny Loholona vao voatendry.
Andininy 79 -Lalāna fehizoro no manondro ny fitsipika mifehy ny fomba fiasan'ny Antenimierandoholona, ny olona ao anatiny ary koa ny fomba ifidianana sy anendrena ny mpikambana ao.
Andininy 80 -Maka ny hevitry ny Antenimierandoholona ny Governemanta momba ny toe-karena sy sosialy ary ny fandaminana ny faritra.
Andininy 81 -Mivory tsy misy fepetra mandritra ny fivorian'ny Antenimierampirenena ny Antenimierandoholona, afa tsy amin'ny tranga voalazan'ny andininy faha-93 andalana voalohany etsy ambany.
Azon'ny Governemanta atao koa ny miantso azy hiatrika fotoam-pivoriana manokana. Ny fandaharam-potoanany amin'izany dia voafetran'ny didim-panjakana fiantsoana noraisina teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra.
Rehefa tsy mivory ny Antenimierampirenena dia tsy afaka mandinika afa-tsy ny raharaha nangatahin'ny Governemanta ny heviny izy ka tsy tafiditra amin'izany ny volavolan-dalāna
Andininy 82 -Ampiharina amin'ny Antenimierandoholona ny fepetra voalazan'ny andininy faha-68 ka hatramin'ny faha-76.
TOKO III : Ny amin'ny fifandraisan'ny Governemanta sy ny Parlemanta
Andininy 83 -Samy manam-pahefana hanolotra volavolan-dalāna na ny Praiminisitra, na ny Solombavambahoala na ny Loholona.
Dinihina eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dalāna ary apetraka eo amin'ny iray amin'ny biraon'ireo Antenimiera.
Ny lahadinik'ireo Antenimiera roa tonta dia mifanaraka amin'ny laharam-pahamehana sy ny filaharana notapahan'ny Governemanta ary ahitana fiadian-kevitra momba ny volavolan-dalāna napetraky ny Praiminisitra teo amin'ny biraon'ny Antenimierampirenena na any amin'ny Antenimierandoholona.
Ny tolo-dalāna sy ny fanitsiana napetraky ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta dia ampahalalaina ny Governemanta izay manome ny fanamarihany ao anatin'ny telopolo andro raha amin'ny tolo-dalāna ary dimy ambin'ny folo andro raha amin'ny fanitsiana.
Rehefa tapitra izany fe-potoana izany dia miroso amin'ny fandinihana ny tolodalāna sy ny fanitsiana mba handaniana azy ny Antenimiera nametrahana izany.
Tsy azo raisina izy ireny raha miteraka fampihenana ny fampidiram-bolam-panjakana na famoronana na fampitomboana ny vola mivoaka amin'ny Fanjakana no vokatry ny fandaniana azy, afa-tsy ny lalāna mifehy ny fitantanam-bola.
Raha tsapa mandrita ny fizotry ny fanaovan-dalāna fa tsy tafiditra ao amin'ny faritra fehezin'ny lalāna ny tolodalāna sy ny fanitsiana dia afaka manambara ny tsy fahazoana mandray azy ny Govememanta. Raha misy ny tsy fifanarahana eo amin'ny Governemanta sy ny Antenimierampirenena na ny Antenimierandoholona momba izany, dia mamoaka didy amin'izay ao anatin'ny valo andro ny Fitsarana Avo momba ny Lalāmpanorenana raha toa nangataka izany ny Praiminisitra na ny Filohan'ny iray amin'ireo Antenimiera mpanao lalāna.
Andininy 84 -Ny Parlemanta no mandany ny lalāna fehizoro, ny lalāna itantanana ny volam-panjakana sy ny lalāna araka ny fepetra voatondron'ity toko ity.
Andininy 85 -Ankoatry ny anton-javatra ampisahanin'ny andininy hafa amin'ny Lalāmpanorenana azy, dia lalāna fehizoro ihany no mametra :
1° ny fitsipika ampiharina amin'ny fifidianana Filohan'ny Repoblika ;
2° ny fombafomba arahina amin'ny fandatsaham-bato ifidianana Solombavambahoaka, ny fepetra ahafahana milatsaka ho fidina, ny asa aman-draharaha tsy azo ampirafesina sy ny fepetra mikasika ny fanonganana, ny fitsipika momba ny fanoloana raha misy fahabangan-toerana, ny fandaminana ary ny fomba fiasa ao amin'ny Antenimierampirenena ;
3° ny fombafomba arahina amin'ny fandatsaham-bato ifidianana sy hanendrena Loholona, ny fepetra ahafahana milatsaka ho fidina, ny asa aman-draharaha tsy azo ampirafesina sy ny fepetra mikasika ny fanonganana, ny fitsipika momba ny fanoloana raha misy fahabangan-toerana, ny fandaminana ary ny fomba fiasa ao amin'ny Antenimieradoholona ;
4° ireo fitsipika mikasika ny fandaminana, ny mpikambana, ny fomba fiasa ary ny andraikitry ny fitsarana Tampony sy ireo fitsarana avo telo ao aminy, ny fitsipika mikasika ny fanendrena ny mpikambana ao aminy ary koa ny fitsipika mikasika ny paikady ampiharina ;
5° ny sata mifehy ny mpitsara ;
6° ny fandaminana, ny fomba fiasa ary ny andraikitry ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara;
7° ny fandaminana, ny fomba fiasa ary ny paikady arahina ao amin'ny Fitsarana Avo ;
8° ny fandaminana, ny fomba fiasa, ny fitondran-draharaha sy ny paikady arahina ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalāmpanorenana ;
9° ny Fehezandalāna momba ny fifidianana ;
10° ny fepetra ankapobe mikasika ny lalāna itantanana ny volam-panjakana ;
11° ny fisian'ny toe-javatra mampisy hotakotaka sy ny famerana ny fahafahana fototra, isam-batan'olona sy ho an'ny daholobe, mandritra izany toe-javatra izany.
Andininy 86 -Toy izao manaraka izao ny fomba fandaniana sy fanovana ny lalāna fehizoro :
1° ny volavolan-dālana na ny tolo-dalāna dia tsy aroso iadian-kevitra sy laniana eo anoloan'ny antenimiera nandray azy voalohany raha tsy aorian'ny fe-potoana dimy ambin'ny folo andro manaraka ny nametrahana azy ;
2° ny paikady voalazan'ny andininy faha-83 andalana faha-3, faha-90 andalana faha-3 sy faha-92 no ampiharina. Na izany aza, tsy maintsy ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao amin'ny antenimiera tsirairay no mandany ny lalāna fehizoro ; raha misy ny tsy fifanarahan-kevitra eo amin'ny antenimiera roa tonta izay samy efa nandinika izany indroa, dia ny Antenimierampirenena, amin'ny alālan'ny latsabato iandanian'ny roa ampahatelon'ny mpikambana ao aminy, no mandray fanapahan-kevitra farany.
Raha toa tsy nolanian'ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalāna fehizoro alohan'ny fifaranan'ny fotoam-pivoriana dia azo ampiharina amin'ny alālan'ny hitsivolana ny fepetra entin'io volavolan- dalāna io, ka ampidirina ao raha ilaina izany, ny iray na maromaro amin'ireo fanitsiana nolanian'ny antenimiera iray.
3° tsy maintsy mitovy ny rijan-teny andanian'ny Antenimiera roa tonta ny lalāna fehizoro momba ny Antenimierandoholona.
Tsy azo avoaka hanan-kery ny lalāna fehizoro raha tsy efa nambaran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalāmpanorenana fa mifanaraka amin'ny Lalāmpanorenana.
Andininy 87 -Ao anatin'ny lasitry ny lalāna fehizoro ampiharina amin'izany, ny lalāna fitantanam-bola no :
1° mamaritra isaky ny taom-pitantanana ny toetra, tetibidy sy fitsinjarana ny vola miditra amin'ny Fanjakana sy ny tsy maintsy efainy ary ny fifandanjana ara-bola takian'izany ; jerena amin'izany ny fanerena tsy azo iodivirana ara-toekarena ankapobe ;
2° mamaritra ny ampahan'ny vola miditra amin'ny Fanjakana ka tokony omena ny Fanjakana foibe sy ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy Vondrom-pitondram-panjakana, ary koa ny toe-ketra sy ny haba takiana mivantana atokana ho an'ny tetibolan'ireo Vondrom-paritra ireo, ka mikasika ny karazana sy ny tombany farany ambony izany ;
Ny lalāna no milaza mazava ny fepetra momba ny fisamboram-bola sy manapaka ny mety hananganana tahirim-bola hitsinjovana ny ho avy.
3° Ny lalāna drafitrasa no mamaritra ny zava-kendren'ny Fanjakana amin'ny firotsahany amin'ny asa momba ny toe-karena, sosialy ary ny fanajariana ny tany.
Andininy 88 -Mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa no andinihan'ny Parlemanta ny volavolan-dalāna momba ny fitantanam-bolam-panjakana.
-Ireo Minisitra miandraikitra ny fitantanam-bola sy ny tetibola no manomana ny volavolan-dalāna momba ny fitantanam-bolam-panjakana ka eo ambany fahefan'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta no anaovany izany.
-Manana fe-potoana efapolo andro farafahelany ny Parlemanta handinihana izany.
-Manana fe-potoana dimy ambin'ny folo andro farafahelany manomboka eo amin'ny fotoana nanolorana ny volavolan-dalāna taminy ny Antenimierampirenena mba handinihana azy am-boalohany. Rehefa tsy naneho ny heviny tao anatin'izay fe-potoana izay izy, dia heverina ho toy ny efa nandany azy sahady ka dia atolotra ny Antenimierandoholona indray ilay volavolan-dalāna.
-Araka ny fepetra efa voalaza dia manana fe-potoana dimy ambin'ny folo andro manomboka eo amin'ny fampitana azy ilay volavolan-dalāna koa ny Antenimierandoholona mba handinihany azy am-boalohany ; ny Antenimiera tsirairay dia manana fe-potoana dimy andro hanaovany ny fandinihana azy manaraka.
-Raha tsy nolanian'ny Antenimiera iray alohan'ny fiafaran'ny fivoriana faharoa ny volavolan-dalāna momba ny fitantanam-bolam-panjakana dia azo ampiharina avy hatrany ireo fepetra voalazan'ilay volavolan-dalāna ka amin'ny alalan'ny hitsivolana no hanaovana izany, ary azo ampidirina ao izay fanitsiana neken'ny Antenimiera roa tonta.Raha tsy nolanian'ny Parlemanta alohan'ny fiafaran'ny fivoriana faharoa ny volavolan-dalāna momba ny fitantanam-bolam-panjakana dia azo ampiharina avy hatrany ireo fepetra voalazan'ilay volavolan-dalāna ka amin'ny alalan'ny hitsivolana no hanaovana izany, ary azo ampidirina ao izay fanitsiana neken'ny Antenimiera roa tonta.
-Izay fanitsiana rehetra natao tamin'ilay volavolan-dalāna momba ny fitantanam-bolam-panjakana ka miteraka fitomboan'ny fandaniana na fihenan'ny loharanom-bolam-panjakana dia tsy maintsy ampiarahina amin'ny tolokevitra ampitomboana ny vola miditra na ampihenana ny vola mivoaka mitovy lanja amin'izany.Raha tsy voatolotra ara-potoana mba holaniana alohan'ny fiantombohan'ny taom-pitantanana ny volavolan-dalāna momba ny fitantanam-bolam-panjakana amin'io taom-pitantanana io, dia omena alālana ny Praiminisitra ahazoany mitaky hetra ary manokatra amin'ny alālan'ny didim-panjakana ny sorabola voatokana ho amin'ireo fandaniana lany tamin'ny latsabato teo aloha.
-Lalāna fehizoro no mamaritra ny fomba fandaminana ny volavolan-dālana momba ny fitantanam-bolam-panjakana.
Andininy 89 -Ankoatra ireo raharaha voatondron'ny andininy hafa amin'ny Lalāmpanorenana dia :
-I - Ny lalāna no mametra ny fitsipika mikasika :
1° ny zon'ny olom-pirenena sy ny antoka fototra nomena ny tsirairay sy ny vondron'olona ho amin'ny fampiasana ny zo sy ny fahalalahana ary koa ny adidy aman'andraikitra ;
2° ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ;
3° ny zom-pirenena ;
4° ny Banky Foibe sy ny sata mifehy ny fanontam- bola ;
5° ny fivezivezen'ny olona ;
6° ny fitsipika mikasika ny paikady tsy maintsy arahina amin'ny ady madio sy ny raharaham-barotra ;
7° ny fitsipika mikasika ny paika arahina amin'ny fifanolanana amin'ny Fanjakana sy ny paikady arahina amin'ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana ;
8° ny famaritana ny heloka bevava sy ny heloka tsotra, ny sazy ampiharina amin'izany, ny paikady heloka ary ny famotsoran-keloka ;
9° ny fitsipika mikasika ny fifanoheran'ny lalāna sy ny an'ny fahefana ;
10° ny fananganana rafi-pitsarana vaovao sy ny fahefana tandrify azy avy ary koa ny fandaminana sy ny paikady arahiny ;
11° ny fandaminana ny fianakaviana, ny sata sy ny fizakan-jon'ny isam-batan'olona, ny fandaminana ny fananan'ny mpivady, ny fandovana, ny didimpananana sy ny tolotra ;
12° ny sata mifehy ny fananana, ny fizakā-manana, ny adidy ateraky ny zo isam-batan'olona sy ny raharaham-barotra ary ny fepetra ahazoana manaisotra amin'ny tompony ny fananany na ny fampiasana azy tsy azo lavina noho ny filan'ny besinimaro na ny famindrana ny fitompoana azy amin'ny Fanjakana ;
13° ny fananganana antokon-draharaham-panjakana isan-tsokajiny ;
14° ny loharanon-karena iankinan'ny fiainam-pirenena ;
15° ny fandaminana sy ny fiasan'ny Vondrombahoakam-paritra ;
16° ny sata manokan'ny Renivohitry ny Repoblika, ny ampahany sasany amin'ny tanin'ny Repoblika, ireo Lapampanjakana sy ireo trano hafa isan'ny fananam-panjakana, ireo seranana sy ny zotram-pifamoivoizana, ireo seranam-piaramanidina, ary koa ny satan'ireo harena andranomasina ;
17° ny toetra, ny fototra ary ny tombany farany ambony amin'ny hetra sy haban'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana.
II - Ny lalāna no mamaritra ny foto-kevitra ankapobe momba :
1° ny fandaminana ny fiarovam-pirenena sy ny fampiasan'ireo fahefana sivily ny Tafika sy ny Hery mpitandro ny filaminana ;
2° ny sata ankapobe mifehy ny mpiasam-panjakana sivily sy miaramila ;
3° ny lalāna mifehy ny asa, ny zo sendikaly, ny zo hitokona ary ny fitsinjovana ara-tsosialy ;
4° ny famindrana ny fananan'ny orinasam-panjakana na antokon-draharaha miankina amin'ny Fanjakana amin'ny olon-tsotra na ny mifamadika amin'izany ;
5° ny fandaminana na ny fomba fiasan'ireo lafin-draharaha samihafa misahana lalāna, toe-karena, sosialy ary koltoraly ;
6° ny fiarovana ny tontolo iainana.
III - Ny fivorian'ny Antenimiera roa tonta mitambatra ho Kongresy irery, amin'ny alalan'ny latsa-bato iandanian'ny antsasamanilan'ny mpikambana, no afaka manome alalana hamakiana ady amin'ny firenen-kafa.-piaramanidina, ary koa ny satan'ireo harena andranomasina ;
17° ny toetra, ny fototra ary ny tombany farany ambony amin'ny hetra sy haban'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana.
Andininy 90 -Ny volavolan-dalāna sy ny tolo-dalāna dia dinihin'ny Antenimiera nandray azy voalohany vao ampitaina any amin'ny Antenimiera ankilany.
-Ifandimbiasan'ny Antenimiera roa tonta ny ady hevitra mandra-pisian'ny fandaniana rijanteny tokana.
- Raha toa ka tsy mety lany ny volavolan-dalāna na tolodalāna iray rehefa nodinihan'ny Antenimiera tsirairay indroa ka misy tsy fifanarahan-kevitra tamin'izy roa tonta, na rehefa nodinihan'ny Antenimiera tsirairay indray mandeha rehefa nanambara ny fisian'ny hamehana ny Governemanta, dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny Praiminisitra hamory vaomiera ikambanana isahana izay ampiandraiketana fanolorana rijanteny momba ireo fepetra mbola iadian-kevitra. Ny rijanteny novolavolain'io vaomiera ikambanana io dia azon'ny Governemanta atolotra ny Antenimiera roa tonta mba hankatoavina. Tsy misy fanitsiana azo raisina raha tsy nahazoana ny faneken'ny Governemanta.
-Raha toa ka tsy afaka mandany rijanteny tokana iombonana ny vaomiera na tsy nolaniana araka ireo fepetra voalaza eo amin'ny andininy eo ambony ilay rijanteny, dia ny Antenimierampirenena, amin'ny alalan'ny latsabato iandanian'ny antsasamanilan'ny mpikambana ao aminy no manapa-kevitra farany.
Andininy 91 - Fehezin'ny didy amam-pitsipika ny raharaha hafa tsy tafiditra ao amin'ny sehatry ny lalāna. Azo ovāna amin'ny alalan'ny didim-panjakana izay avoaka rehefa milaza ny heviny ny Fitsarana Avo momba ny Lalāmpanorenana.
- Ireo rijanteny miendri-dalāna mety ho raisina rehefa manankery ity Lalampanorenana ity, dia tsy azo ovāna amin'ny alalan'ny didim-panjakana raha tsy nambaran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalāmpanorenana fa miendrika didy amam-pitsipika araka ny voalazan'ny andalana etsy ambony.
Andininy 92 -Ny Governemanta, raha manamby ny andraikiny araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-94 etsy ambany, dia afaka mitaky amin'ny Antenimiera tsirairay mba hanapa-kevitra avy amin'ny alalan'ny latsabato tokana mikasika ny fepetra manontolo na ampahany voalazan'ny rijanteny iadian-kevitra :
- mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana raha toa ka voatolotra valo amby efapolo ora mialoha ny fisokafan'ny fivoriana ireo rijanteny ireo ;
- ao anatin'ny valo andro mialoha ny fifaranan'ny fivoriana ara-potoana tsirairay avy.
Andininy 93 -Ao anatin'ny telopolo andro nanendrena azy no anehoan'ny Praiminisitra ny fandaharana ampiharana ny politika ankapoben'ny Fanjakana amin'ny Antenimierampirenena izay afaka manome tolokevitra.
-Raha tsapan'ny Governemanta eo am-panatanterahana ny asa fa misy fanovāna fototra tokony hatao amin'io fandaharan'asa io, dia entin'ny Praiminisitra eny amin'ny Antenimierampirenena, izay afaka manome tolokevitra.
Andininy 94 -Aorian'ny fandinihana nataon'ny Filankevitry ny Minisitra dia azon'ny Praiminisitra atao ny manamby ny andraikitry ny Governemanta amin'ny fametrahana fangataham-pitokisana.
-Tsy azo atao ny mandatsabato raha tsy afaka valo amby efapolo ora aorian'ny fametrahana ny fangataham-pitokisana. Raha toa ka ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao amin'ny Antenimierampirenena no mitsipaka ny fangataham-pitokisana dia mametraka ny fialany amin'ny Filohan'ny Repoblika ny Govememanta.
-Amin'izany dia manendry Praiminisitra ny Filohan'ny Repoblika araka ny voalazan'ny andininy faha-53.
Andininy 95 -Eo amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany no anoloran'ny Governemanta amin'ny Antenimierampirenena ny tatitra momba ny fanatanterahany ny fandaharan'asany.
-Arahina adihevitra izany fanolorana izany.
Andininy 96 -Ireto avy ny fomba ampiasain'ny Parlemanta ahafantarany ny asa sahanin'ny Governemanta : ny fanontaniana am-bava, ny fanontaniana an-tsoratra, ny fanadinana hentitra ary ny fampiasana ny vaomiera mpanao famotorana.
-Mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana iray dia omena laharam-pahamehana indray mandeha isam-bolana ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta hametrahany fanontaniana amin'ny Governemanta ary hiainoany ny valiny.
Andininy 97 -Azon'ny Antenimierampirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny Governemanta amin'ny alalan'ny latsabato fitsipaham-pitokisana.
-Tsy azo raisina anefa ny tolokevitra toy izany raha tsy ny antsasaky ny mpikambana ao amin'ny Anteni-mierampirenena farafahakeliny no manao sonia azy. Valo amby efapolo ora aorian'ny nandrosoana ny tolo-kevitra ho tapahina vao azo atao ny latsabato.
-Tsy lany ny fitsipaham-pitokisana raha tsy ny roa ampahatelon'ny mpikambana ao amin'ny Antenimierampirenena no mankatō azy.
-Raha lany izany fitsipaham-pitokisana izany dia mametraka ny fialany amin'ny Filohan'ny Repoblika ny Governemanta ka hisy fanendrena Praiminisitra araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-53 etsy ambony.
Andininy 98 -Raha misy antony lehibe marim-pototra dia azon'ny Filohan'ny Repoblika atao ny mandrava ny Antenimierampirenena.
Andininy 99 -Amin'ny alalan'ny latsabato lanian'ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao amin'ny Antenimiera tsirairay avy, dia azon'ny Antenimiera roa tonta atao ny mamindra ny fahefana manao lalāna amin'ny Filohan'ny Repoblika mandritra ny fotoana voafetra ary mikasika anton-javatra voafaritra.
-Io famindram-pahefana io dia manome alalana ny Filohan'ny Repoblika handray fepetra mahafaobe ao anatin'ny sehatry ny lalāna amin'ny alalan'ny hitsivolana tapahina eo am-pivorian'ny Filankevitry ny Minisitra.
Andininy 100 -Raha misy hamehana na atambo, dia afaka mandray fepetra ny Filohan'ny Repoblika amin'ny alalan'ny hitsivolana ao anatin'ny sehatry ny lalāna.
Andininy 101 -Amin'ny alalan'ny fanambarana, tsy arahina adihevitra no ifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika amin'ny Parlemanta.