Ireo Andrimpanjakana Malagasy
Présidence
Présidence
Gouvernement
Gouvernement
Haute Cour Constitutionnelle
HCC
 SENAT
SENAT
Avy any ivelany
Assemblée de l'UE
Assemblée de l'UE
Parlement Panafricain
Parlement Panafricain
National Conference of State Legislature
National Conference of State Legislature
Assemblée Parlementaire de la Francophonie
L’Assemblée Parlementaire de la Francophonie
Union Africaine
Union Africaine


NY LALAMPANORENANA

LOHATENY III : NY AMIN'NY FANDAMINANA NY FANJAKANA
Zana-dohateny I : Ny amin'ny Asa mpanatanteraka


TOKO VOALOHANY : Ny amin'ny Filohan'ny Repoblika

Andininy 44 -Ny Filohan'ny Repoblika no Filoham-panjakana.
-Amin'izany dia izy no mitandro ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Izy no miantoka ny maha-iray tsy mivaky ny Repoblika. Izy no miantoka amin'ny alàlan'ny fanelanelanany ny maha ara-dalàna ny fizotran'ireo fahefana rehetra, ny fahaleovantenam-pirenena sy ny maha iray tsy anombinana ny Tanindrazana. Izy no mitandro ny fiarovana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena na eto an-toerana na any ivelany. Izy no miantoka ny firaisam-pirenena.
-Amin'ny fampiharana ny fahefana omen'ity Lalàmpanorenana ity no anatanterahan'ny Filohan'ny Repoblika ireo andraikitra ireo.

Andininy 45 -Fidina hiasa dimy taona amin'ny alàlan'ny latsabato ataon'ny daholobe mivantana ny Filohan'ny Repoblika.
-Aorian'izay dia mbola azo fidina indroa izy.

Andininy 46 -Izay olona milatsaka ho fidina ho Filohan'ny Repoblika dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy avy amin'ny ray sy ny reny niteraka, ny zon'ny isam-batan'olona sy ara-pôlitika, feno efapolo taona farafahakeliny amin'ny vaninandro farany ahazoana mametraka ny filatsahana hofidina, ary monina eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara enim-bolana farafahakeliny mialoha ny vaninandro nametrahany ny filatsahany ho fidina.
-Ireo olona manatontosa andraikitra nahavoafidy azy na ireo manatanteraka asa eo anivon'ny Andrimpanjakana ary milatsaka amin'ny fifidianana ho Filohan'ny Repoblika, dia tsy mahazo mampiasa ny fitaovana sy ny tombontsoa manokana nomena azy noho ny asa iandraiketany hanaovana fampielezan-kevitra.

Andininy 47 -Telopolo andro farafahakeliny ary enimpolo andro farafahelany alohan'ny fiafaran'ny fepotoana itondran'ny Filohan'ny Repoblika am-perin'asa no anaovana ny fifidianana ny Filohan'ny Repoblika.
-Amin'ireo toe-javatra voalàzan'ny andininy faha-51 sy faha-126 amin'ity Lalàmpanorenana ity, ireo fe-potoana ireo dia manomboka amin'ny fahitana fototra ny fahabangan-toerana ambaran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
-Voafidy ho Filohan'ny Repoblika avy hatrany izay mahazo antsasa-manilan'ny vato manankery amin'ny fihodinana voalohany. Raha tsy tratra izany, dia asiana fihodinana faharoa ka izay mahazo ny ampahany be indrindra amin'ny vato manankery no lany ho Filohan'ny Repoblika amin'ireo mpilatsaka roa nahazo vato be indrindra tamin'ny fihodinana voalohany. Ny fihodinana faharoa dia atao telopolo andro raha ela indrindra aorian'ny fanambarana ofisialy ny vokatry ny fihodinana voalohany. Raha misy fahafatesan'ny mpilatsaka ho fidina alohan'ny fandatsaham-bato na koa misy toe-javatra tsy azo anoharana voamarin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ahemotra amin'ny vaninandro vaovao ny fifidianana ka lalàna fehizoro no hamaritra ny fepetra sy ny fombafomba arahina amin'izany.
-Manohy ny asany araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-48 ny Filoha am-perin'asa mandra-pahatongan'ny fotoana hanomezam-pahefana ny mpandimby azy.

Andininy 48 -Alohan'ny handraisany ny asany, ny Filohan'ny Repoblika dia manao izao fianianana manaraka izao eo anoloan'ny Firenena, amin'ny fotoam-pitsarana manetriketriky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, sy eo anatrehan'ny Governemanta, ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona ary ny Fitsarana Tampony :
-" Eto anatrehan'Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha Filohan'ny Fajakana Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy an-kanavaka ".
- Manomboka ny vaninanandro nanaovany fianianana ny fe-potoana iasan'ny Filohan'ny Repoblika.

Andininy 49 -Ny asa maha Filohan'ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana na asan'olom-boafidy hafa, na asa hafa ankoatr'izany ; tsy azo ampirafesina ihany koa aminà asa ao anatin'antoko pôlitika.

Andininy 50 -Azon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana atao ny manambara fa misy tsy fahafahana miasa miserana manjo ny Filohan'ny Repoblika noho ny antony ara-batana na ara-tsaina izay voamarina fa mitombina rehefa nisy fampakaran-draharaha momba izany nataon'ny Parlemanta izay nanapaka tamin'ny latsabato nataon'ny Antenimiera tsirairay avy ka nolanian'ny roa ampahatelon'ny mpikambana ao aminy.

Andininy 51 -Fanapahana avy amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manambara fa mifarana ilay tsy fahafahana miasa miserana.
-Ny tsy fahafahana miasa miserana dia tsy mihoatra ny enimbolana fa, raha dila izany fe-potoana izany, dia azon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana atao ny mandray fanapahan-kevitra hanova ny tsy fahafahana miasa miserana ho tsy fahafahana miasa intsony rehefa nanao fampakaran-draharaha mifanaraka amin'ny fepetra voalazan'ny andininy faha-50 ny Parlemanta.

Andininy 52 -Raha misy fahabangana ny toeran'ny Filohan'ny Repoblika noho ny fametraham-pialana, ny fahafatesana, ny tsy fahafahana miasa intsony araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-51, andàlana faha-2, na fionganana notinapaka ho fampiharana ny andininy faha-126 dia atao ny fifidianana Filoha vaovao araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-46 sy faha-47 etsy aloha.
-Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mizaha fototra ny fahabangan-toerana.
-Raha vao hita fototra ny fahabangan-toeran'ny Filohan'ny Repoblika dia ny Filohan'ny Antenimierandoholona no misahana vonjimaika ny asan'ny Filoham-pirenena mandra-pahatongan'ny fotoana handraisan'ny Filoha voafidy ny asany na mandrapifaranan'ny tsy fahafaha-miasa miserana ary raha misy fahabangan-toerana na tsy fahafahan'ny Filohan'ny Antenimierandoholona hita fototra nambaran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ny Governemanta iray manontolo no misahana ny asan'ny Filoham-pirenena.
-Mandritra ny fe-potoana izay miantomboka amin'ny fahitana fototra ny fahabangan-toerana ka hatramin'ny fotoana andraisan'ny Filoha vaovao ny fahefana na ny fifaranan'ny tsy fahafahana miasa miserana dia tsy azo ampiharina ny andininy faha-94, faha-97, faha-98 sy faha-152 ka hatramin'ny faha-154 ny Lalàmpanorenana.

Andininy 53 -Ny Filohan'ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra.
-Izy no mampitsahatra azy amin'ny asany noho ny antony lehibe hita fototra.
-Izy no manendry ny mpikambana hafa ao amin'ny Govememanta araka ny tolokevitry ny Praiminisitra. Izy no mampitsahatra azy ireo amin'ny asany.

Andininy 54 -Ny Filohan'ny Repoblika no :
1° mitarika ny Filankevitry ny Minisitra ;
2° manao sonia ny hitsivolana noraisina teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra amin'ireo toe-javatra sy araka ny fepetra voalazan'ity Lalàmpanorenana ity;
3° manao sonia ny didim-panjakana nolaniana teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra ;
4° manendry, eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, ireo olona hitana toerana ambony ao amin'ny asam-panjakana, araka ny lisitra voalazan'ny didim-panjakana noraisina teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra. Azony afindra amin'ny Praiminisitra io fahefana io ;
5° afaka manapaka eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, momba ny raharaha lehibe rehetra mikasika ny Firenena, ny hanontaniana mivantana ny safidim-bahoaka amin'ny alàlan'ny fitsapan-kevi-bahoaka ;
6° manoritra sy manapaka, eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra, ny politika ankapobe arahin'ny Fanjakana.

Andininy 55 -Ny Filohan'ny Repoblika no Filoha Faratampon'ny Foloalindahy ka izy no miantoka ny firaisankinany. Noho izany dia izy no mitarika ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena izay voafaritry ny didim-panjakana noraisina teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra ny firafiny sy ny andraikiny. Izy no mamaritra ny fiheverana ankapobe mikasika ny fiarovana eo am-pivorian'ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena.
-Izy no manapa-kevitra ny amin'ny fampiasana ny tafika sy ireo fitaovana ao aminy, any ivelany rehefa nahazo ny teny ierana avy amin'ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena sy ny Filankevitry ny Minisitra ary ny Parlemanta.
-Izy no manendry ireo miaramila voaantso hisolo tena ny Fanjakana eo anivon'ny fikambanana iraisam-pirenena.

Andininy 56 -Ny Filohan'ny Repoblika no manendry sy mampody ny Masoivohon'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo nalefa namita iraka manokana any amin'ny Firenen-kafa sy Fikambanana iraisam-pirenena.
-Izy no mandray ny taratasy fanendrena sy fampodiana ny solontenan'ny Fanjakana sy ny fikambanana iraisam-pirenena ankatoavin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Andininy 57 -Ny Filohan'ny Repoblika no manana fahefana hamindra fo amin'ireo voasazy.
-Izy no manolotra ny mari-boninahitry ny Repoblika.
-Izy no mampiasa ireo rantsa-mangaika mpanaramaso ny raharaham-panjakana.

Andininy 58 -Ny Filohan'ny Repoblika no mamoaka hampanan-kery ny lalàna lany era tanteraka, ao anatin'ny telo herinandro aorian'ny nampitàn'ny Antenimierampirenena izany.
-Alohan'ny fahataperan'io fe-potoana io dia azon'ny Filohan'ny Repoblika atao ny mangataka amin'ny Parlemanta handinika indray ilay lalàna na ny andininy sasantsasany ao aminy. Tsy azo lavina io fandinihina vaovao io.

Andininy 59 -Azon'ny Filohan'ny Repoblika ravana ny Antenimierampirenena araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-98 etsy ambany.
- Raha izany no miseho dia atao ny fifidianana solombavambahoaka vaovao araka ny fepetra ho faritan'ny lalàna fehizoro.
-Tsy misy fandravana vaovao azo atao ao anatin'ny roa ambin'ny folo volana manaraka io fifidianana io.

Andininy 60 -Raha tandindomin-doza ny Andrimpanjakan'ny Repoblika, ny fahaleovantenam-pirenena, ny firaisam-pirenena na ny maha-iray tsy anombinana ny Tanindrazana ka voatohintohina ny fizotra ara-dalànan'ny asan'ireo fahefana dia azon'ny Filohan'ny Repoblika atao ny manambara ampahibemaso ny fisian'ny toe-javatra mampihotakotaka amin'ny faritra sasany na eo amin'ny Firenena manontolo, izany hoe : ny fotoam-pahamaizana, ny fahalatsahan'ny Firenena an-katerena na ny fampiharana lalàna miaramila. Eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra no andraisan'ny Filohan'ny Repoblika ny fanapahana amin'izany rehefa naka ny hevitry ny Filohan'ny Antenimierampirenena, ny Filohan'ny Antenimierandoholona ary ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izy.
- Azo halavaina mihoatra ny dimy ambin'ny folo andro ny fisian'ny toe-javatra mampihotakotaka, araka ireo fombafomba ireo.
-Ny fanambarana ampahibemaso ny fisian'ny toe-javatra mampihotakotaka dia manome fahefana manokana ny Filohan'ny Repoblika ka lalàna fehizoro no mamaritra ny fara-fetrany sy ny fahelàny.
-Raha vao nambara ampahibemaso fa misy toe-javatra mampihotakotaka dia azon'ny Filohan'ny Repoblika atao ny manao lalàna amin'ny alàlan'ny hitsivolana.

Andininy 61 -Ny didy rehetra ataon'ny Filohan'ny Repoblika, afa-tsy ny amin'ireo toe-javatra voalaza ao amin'ny andininy faha-53, andàlana voalohany sy faha-2, faha-57, andàlana voalohany sy faha-2, faha-58, faha-78, faha-94, faha-98, faha-101, faha-110, faha-113 ka hatramin'ny faha-115, dia iarahany manao sonia amin'ny Praiminisitra ary, raha ilaina, miaraka amin'ny Minisitra voakasik'izany.

TOKO II :Ny amin'ny Governemanta

Andininy 62 -Ny Governemanta dia ahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra.
-Izy no mampihatra ny politika ankapoben'ny Fanjakana.
-Tompon'andraikitra eo anoloan'ny Antenimierampirenena araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-94 sy faha-97 etsy ambany izy.
-Ny Governemanta no mampiasa ny sampan-draharaham-panjakana.

Andininy 63 -Ny asan'ny mambra ao amin'ny Governemanta dia tsy azo ampirafesina amin'ny fanatanterahana andraikitra nahavoafidy eo anivon'ny vahoaka na amin'izay rehetra raharaha fisoloan-tena amin'ny asa, na amin'ny asam-panjakana na amin'izay rehetra fisahanana anton-draharaha hafa andraisan-karama.

Andininy 64 -Ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta no :
1° mampihatra ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakana ;
2° mifehy ny mpikambana ao amin'ny Governemanta ka mitarika ny fanantanterahan'izy ireo ny asany, miandraikitra ny fandrindrana ny asa aman-draharaha sahanin'ny minisitera, ary ny fanatanterahana ny teti-pampandrosoam-pirenena rehetra ;
3° manolotra volavolan-dalàna ;
4° mandrafitra ny volavolan-dalàna aroso hodinihin'ny Filankevitry ny Minisitra ary hapetraka eo amin'ny iray amin'ireo Biraon'ny Antenimiera ;
5° miantoka ny fampiharana ny lalàna ;
6° manana ny fahefana hanao didy amam-pitsipika afa-tsy amin'ny fepetra voalazan'ny andininy faha-54, andàlana faha-3 ;
7° miantoka ny fampiharana ny didim-pitsarana ;
8° mampakatra raharaha, raha ilaina, any amin'ny rantsa-mangaika mpanara-maso ny raharaham-panjakana, manao izay hampandeha tsara ny sampan-draharaham-panjakana, ny fitantanana arak'izay tokony ho izy ny volan'ny vondrom-bahoaka sy ny an'ireo antokon-draharaham-panjakana ;
9° miantoka ny filaminam-bahoaka, ny fandriampahalemana ary ny maha mari-toerana ny Fitondrana manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ao anatin'ny fanajana ny firaisam-pirenena ; noho izany, izy no mampiasa ireo hery rehetra enti-mandamina sy mitandro ny filaminana, ary miaro ny loza tsy hihatra amin'ny Vahoaka no sady koa misahana ny fiarovam-pirenena ; 10° mitarika ny Komity iraisan'ny Minisitera momba ny Fiarovana izay miandraikitra ny fampiharana ny politika ankapoben'ny fiarovana ;
11° raha tsy eo ny Filohan'ny Repoblika, misolo azy amin'ny fitarihana ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena ;
12° Lehiben'ny fitondran-draharaham-panjakana ;
13° ankoatra ny voalazan'ny andininy faha-54, andàlana faha-4, manendry ireo mpiasam-panjakana sivily sy miaramila ary koa ireo mpiasa amin'ny antokon-draharaha miankina amin'ny Fanjakana.
-Azony afindra amin'ny mambra ao amin'ny Governemanta ny fahefana sasantsasany izay azon'izy ireo ampitaina amin'ny hafa koa.
-Manao ny ezaka ilaina izy hampandrosoana amin'ny fomba mifandanja ny faritra rehetra.
-Azony atao ny mitarika ny Filankevitry ny Minisitra raha misy fanomezam-pahefana mazava avy amin'ny Filohan'ny Repoblika sy fandaharan-draharaha voafaritra manokana hodinihina amin'izany.
-

Andininy 65 -Ny Praimnisitra no mitarika ny Filankevitry ny Governemanta.
-Eo amin'ny Filankevitry ny Governemanta, izy no :
1° mamaritra ny fampiharana ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakana sy manapaka ny fepetra ho raisina hanatanterahana izany ;
2° mampiasa ny anjara andraikitra hafa izay tsy maintsy hakana hevitra amin'ny Governemanta araka ity Lalàmpanorenana ity sy ireo lalàna manokana ;
3° mandray ireo fepetra fampiharana ny teti-pampandrosoam-pirenena ara-toe-karena sy sosialy ary koa ny amin'ny fanajariana ny tany izay novolavolaina niaraka tamin'ny manampahefana avy amin'ny faritra.

Andininy 66 -Ny didy ataon'ny Praiminisitra dia iarahany manao sonia amin'ny Minisitra miandraikitra ny fanatanterahana azy raha ilaina izany.

 



Tonga soa | Tenin'ny Filoha | Tahirin-tsary | Takelaka | Fifandraisana