|
Andininy 41 : - Ireto avy ny Andrimpanjakana: - Ny Filohan'ny Repoblika sy ny Governemanta; - Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ; - Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Ireo asa telo sahanin'ny Fanjakana - mpanatanteraka, mpanao lalàna, fitsarana - dia fehezin'ny fotokevitry ny fanavaham-pahefana ary iandraiketanà rantsa-mangaika samy hafa. Ny Fitsarana Tampony, ireo Fitsarana Ambony sy ireo Fitsarana miankina aminy ary koa ny Fitsarana Avo no manatanteraka ny asam-pitsarana.
Andininy 42 : - Ny lalàna no mamaritra ny habetsahana sy fepetra ary fombafomban'ny tambin-karama omena izay olona voatendry hisahana andraikitra, na hamita asa, na hanatontosa iraka eo anivon'ireo Andrimpanjakana voalazan'ity Lalàmpanorenana ity.
Andininy 43 : - Ny asa sahanina eo anivon'ny Andrimpanjakana dia tsy tokony ho loharanon-karena tsy ara-drariny na fitaovana ampiasaina ho amin'ny tombontsoa manokana. -Tsy misy olona amin'ireo voalazan'ny andininy faha-42 etsy ambony mahazo mandray, ivelan'ny zony, tamby na karama avy amin'olona na rafitra na vondon'olona, vahiny na teratany, ka manakantsakana ny fanatontosany ara-dalàna ny andraikiny, fa raha tsy izany dia aongana. - Ny lalàna no mamaritra ny fomba fampiharana an'ireo fepetra ireo indrindra ny amin'ny famerana ny zo, tamby sy karama ary ny paika arahina amin'ny fanonganana.
|