|
Andininy 9 : - Ny Lalàna no mandamina ny fampiasana sy ny fiarovana ny zon'ny tsirairay sy ny fahalalahana fototra.
Andininy 10 : - Malalaka, iantohana ho an'ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy ho fanajana ny fahafahana sy ny zon'ny hafa sy noho ny tsy maintsy hiarovana ny filaminam-bahoaka : ny maneho hevitra sy miteny, ny fifandraisana, ny fanaovan-gazety, ny fidirana ho mpikambana na fanorenana fikambanana, fahafahana mivory, mivezivezy, fahalalahana amin'ny fieritreretana sy ny finoana.
Andininy 11 : - Manan-jo hahalala vaovao ny tsirairay. -Tsy misy sakantsakana ny fampahalalam-baovao amin'ny endriny rehetra. -Ny lalàna sy ny fitsipi-pitondran-tena arak'asa momba ny fampahalalam-baovao no mamaritra ny fahalalahany sy ny andraikiny.
Andininy 12 : - Ny olom-pirenena Malagasy dia manana zo handao sy hiverina an-tanindrazana araka ny fepetra voatondron'ny lalàna. -Zon'ny tsirairay ny mivezivezy sy manorim-ponenana ankalalahana manerana ny tanin'ny Repoblika, rehefa voahaja ny zon'ny hafa sy ny fepetra faritan'ny lalàna.
Andininy 13 : - Iantohana ny olona tsirairay amin'ny tsy fahazoana manao an-keriny na herisetra amin'ny tenany, ny fonenany sy ny tsiambaratelon'ny fifandraisany. -Tsy misy fisavan-trano na toerana azo atao raha tsy alalana omen'ny lalàna ary araka ny baiko an-tsoratra nomen'ny fahefana mpitsara afaka manao izany, afa-tsy amin'ireo izay tratra ambodiomby. -Tsy misy olona azo enjehina na samborina na tanana am-ponja raha tsy noho ny anton-javatra voafaritry ny lalàna ary araka ny fomba voalazany. -Tsy misy olona azo sazina raha tsy araka ny lalàna navoaka hanan-kery alohan'ny nanaovana ilay fihetsika mahavoasazy. -Tsy misy olona azo sazina indroa noho ny toe-javatra iray efa nanamelohana azy. -Ny Lalàna no miantoka ny zo hitady ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny olona rehetra ary tsy vato misakana izany velively ny tsy fahampian'ny fidiram-bola aminy. -Iantohan'ny Fanjakana ny zom-piarovan-tena feno sy tsy azo hozongozonina eo anatrehan'ny antokom-pitsarana rehetra, amin'ny dingana rehetra eo amin'ny fizotry ny ady, manomboka hatrany amin'ny famotorana mialoha eo anatrehan'ny polisy na ny fampanoavana. -Heverina fa tsy meloka izay mety ho voampanga mandram-pilazan'ny fitsarana mahefa fa meloka izy.
Andininy 14 : - Zon'ny tsirairay no mivondrona an-kalalahana, tsy misy fanomezan-dalana mialoha, ao anaty fikambanana, nefa tsy maintsy manaraka ny fepetra voasoritry ny Lalàna. -Toy izany koa ny momba ny fananganana antoko pôlitika. Na izany aza anefa dia raràna ny fikambanana na antoko politika izay manohintohina ny maha iray tsy mivaky ny Firenena na ireo manindrahindra ny fanjakazakana na ny fanavakavahana ara-poko na ara-pinoana. Mandray anjara amin'ny fanehoana safidy ny antoko pôlitika ; zon'ny vitsy an'isa no mijoro ho mpanohitra amin'ny fomba demôkratika.
Andininy 15 : - Manana zo hilatsaka hofidina amin'ireo fifidianana rehetra voalazan'ity Lalàmpanorenana ity ny olom-pirenena tsirairay avy rehefa mahafeno ny fepetra voatondron'ny lalàna, ankoatra izay voalazan'ny andininy faha-46 etsy ambany, ary izany dia tsy ijerena ny maha-mpikambana na ny fanoloran'antoko pôlitika na tsia azy ho fidiana.
Andininy 16 : - Amin'ny fampiasana ny zo sy ny fahalalahana eken'ity Lalàmpanorenana ity dia adidin'ny tsirairay ny manaja ny Lalàmpanorenana, ireo Andrimpanjakana, ary ireo didy aman-dalànan'ny Repoblika.
Zana-dohateny II : Ny amin'ny zo sy adidy mombany toekarena sy sosialy ary koltoraly
Andininy 17 : - Ny Fanjakana no mandamina ho an'ny tsirairay ny fampiasana ny zo izay miantoka ny maha-izy azy sy ny maha-olona tsy ho voatohintohina, ny fivelarany feno ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pahamendrehana.
Andininy 18 : - Adidy ombam-boninahitra ny fanefana ny fanompoam-pirenena voadidin'ny lalàna. Ny fanatontosana izany dia tsy manembantsembana ny toerana misy ny olom-pirenena eo amin'ny asany na ny fampiasana ny zo pôlitika ananany.
Andininy 19 : - Mankatò sy mandamina ny zon'ny tsirairay amin'ny fiarovana ny fahasalamany dieny hatrany am-bohoka ny Fanjakana.
Andininy 20 : - Miantoka ny fiarovana ny fianakaviana izay singa voajanahary ary fototry ny fiaraha-monina ny Fanjakana. Manana zo hanorina fianakaviana ary hamela ireo fananany manokana holovain'ny taranany ny olona tsirairay avy.
Andininy 21 : - Iantohan'ny Fanjakana, amin'ny alàlan'ny famoahan-dalàna sy ny fananganana rafitra mpiahy mifanentana amin'izany, ny fiarovana ny fianakaviana mba hahazoany mivoatra tsara, anatin'izany koa ny fiahiana ny reny sy ny zaza.
Andininy 22 : - Raisin'ny Fanjakana ho adidy ny mandray ny fepetra rehetra ilaina mba hahazoana miantoka ny fivoaran'ny tsirairay ara-tsaina araka ny fahaizan'ny isam-batan'olona.
Andininy 23 : - Ny ankizy tsirairay avy dia manan-jo hianatra sy hahazo fanabeazana eo ambany fiahian'ny ray aman-dreny izay manana safidy malalaka. -Raisin'ny Fanjakana ho adidy ny mampivoatra ny fanofanana amin'ny asa.
Andininy 24 : - Mametraka lamim-pampianarana maimaimpoana azon'ny rehetra hidirana ny Fanjakana. Ny fianarana ambaratonga fototra dia tsy maintsy ataon'ny rehetra.
Andininy 25 : - Ankatoavin'ny Fanjakana ny fisian'ny sekoly tsy miankina ary iantohany ny fahalalahany hanome fampianarana, raha toa ka voahaja ny fepetra momba ny fitandremam-pahasalamana sy ny fitondran-tena ary ny fahaiza-manao takian'ny lalàna. -Mitovy lenta eo anatrehan'ny lalàna momba ny hetra ny sekoly tsy miankina rehetra ; ny lalàna no mametra izany.
Andininy 26 : - Manan-jo handray anjara amin'ny sehatra ara-kolontsain'ny eo anivon'ny fiaraha-monina, amin'ny fandrosoana ara-tsiansa sy hioty ny vokatsoa aterak'izany ny isam-batan'olona. -Ny Fanjakana foibe, miaraka amin'ny Vondrombahoaka-paritra itsinjaram-pahefana no miantoka ny fampivoarana sy ny fiarovana ny lovan-tsaim-pirenena sy ny famokarana ara-tsiansa, ara-haisoratra sy ara-javakanto. -Ny Fanjakana foibe, miaraka amin'ny Vondrombahoaka-paritra itsinjaram-pahefana, no miantoka ny zon'ny famokarana ara-tsaina.
Andininy 27 : - Zo sy adidy ho an'ny olom-pirenena tsirairay ny asa sy ny fiofanana amin'ny asa. - Ny fidirana amin'ny asam-panjakana dia misokatra ho an'ny olom-pirenena rehetra tsy misy fepetra afa-tsy ny fahafaha-manao sy ny fahaizana. -Na izany aza, azo atao ny mametra isaky ny fari-piadidiana ny isan'ny olona raisina ho mpiasam-panjakana ka hofaritan'ny lalàna ny fe-potoana faharetan'izany sy ny fomba ampiharana azy.
Andininy 28 : - Tsy misy azo lesohina tombontsoa eo amin'ny asa aman-draharahany noho ny maha-lahy na maha-vavy azy, noho ny taonany, noho ny finoany, noho ny heviny, noho ny fiaviany, noho ny maha-mpikambana azy ao anaty rafitra sendikaly na noho ny fitompoan-kevitra pôlitika ananany.
Andininy 29 : - Ny olom-pirenena tsirairay dia manan-jo handray valin-kasasarana ara-drariny mifanentana amin'ny hatsara sy ny vokatry ny asa vitany, izay miantoka ho azy sy ho an'ny ankohonany fiainana mendrika ny haja maha-olona.
Andininy 30 : - Miezaka ny Fanjakana hiahy ny filàn'ny olom-pirenena izay mety ho tsy afaka miasa noho ny taonany, na noho ny kilemany ara-batana na ara-tsaina, ka izany dia amin'ny alàlan'ny fananganana rafitra manana endrika sosialy.
Andininy 31 : - Eken'ny Fanjakana ny zon'ny mpiasa tsirairay hiaro ny tombontsoany amin'ny alàlan'ny hetsika sendikaly ary indrindra amin'ny alàlan'ny fahalalahana hanangana sendikà. Malalaka ny fidirana aminà sendikà.
Andininy 32 : - Zon'ny mpiasa tsirairay, indrindra avy amin'ny alàlan'ny solontenany, ny mandray anjara amin'ny famaritana ireo fitsipika sy fepetra momba ny asa.
Andininy 33 : - Ekena ny zo hanao fitokonana ; nefa izany dia tsy atao hanohintohina ny fampandehanana ny raharaham-bahoaka sy ireo filana fototra ara-pilaminana takian'ny fiarahamonina. -Ny lalàna no mamaritra ireo fepetra hafa momba ny fizakana izany zo izany.
Andininy 34 : - Iantohan'ny Fanjakana ny fananan'ny tsirairay zo hanana fananana manokana. Tsy misy fananan'olona azo esorina aminy raha tsy noho ny tombontsoam-bahoaka kanefa izany dia tsy maintsy handoavana onitra mialoha ara-drariny.
Andininy 35 : - Ny Fokonolona no fototry ny fampandrosoana. -Afaka mandray ny fepetra ilaina ahazoany miady amin'ny asa na fihetsika mety hanimba ny tontolo iainany na mitady hanaisotra aminy ny tany na mitady hibodo ireo kijanan'ombiny na mitady hanimba ireo harena voajanahary na ireo kolontsainy ny fokonolona, kanefa izany fepetra izany dia tsy tokony hanohintohina ny tombontsoa iombonana sy ny filaminam-bahoaka. -Faritan'ny lalàna ny sehatra sy ny fomba fampiharana ireo fepetra ireo.
Andininy 36 : - Tsy maintsy mifanahaka ary tombanana araka ny fahafahany mandoa hetra ny fandraisan'ny olom-pirenena tsirairay anjara amin'ny vola lanian'ny Fanjakana.
Andininy 37 : - Iantohan'ny Fanjakana ny fahalalahana eo amin'ny fandraharahana ; ka ny fanajana ny tombontsoa iombonana, ny filaminam-bahoaka, ny fitondran-tena mendrika ary ny tontolo iainana no fetran'izany.
Andininy 38 : - Iantohan'ny Fanjakana ny tsy fanohintohinana ny renivola sy ny petrabola hamokarana.
Andininy 39 : - Adidin'ny tsirairay ny manaja ny soatoavina ara-kolontsaina, ny fananam-bahoaka ary ny tontolo iainana. -Ny Fanjakana foibe miaraka amin'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no miandraikitra ny fiarovana, ny fikajiana ary ny fanabeazam-boho ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ny fepetra mifanentana amin'izany.
Andininy 40 : - Iantohan'ny Fanjakana ny tsy fiandaniana ara-politika amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny foloalindahy, ny fitsarana ary ny fampianarana sy ny fanabeazana. -Ny Fanjakana no miandraikitra ny fampivoarana sy ny fiarovana ny zon'olombelona amin'ny alalan'ny fananganana rafitra natokana ho amin'izany.
|