Ireo Andrimpanjakana Malagasy
Présidence
Prezidansa
Gouvernement
Governemanta
Haute Cour Constitutionnelle
HCC
SENAT
Antenimierandoholona
Avy any ivelany
Assemblée de l'UE
Assemblée de l'UE
Parlement Panafricain
Parlement Panafricain
National Conference of State Legislature
National Conference of State Legislature
Assemblée Parlementaire de la Francophonie
L’Assemblée Parlementaire de la Francophonie
Union Africaine
Union Africaine


NY LALAMPANORENANA

LOHATENY VOALOHANY : NY FOTO-KEVITRA FOTOTRA

Andininy 1 Firenena iray ny Vahoaka Malagasy ka mivondrona ho Fanjakana masimandidy, tokana sy repoblikana " Repoblikan'i Madagasikara " no anarana entiny.

Ny demokrasia no fototra iorenan'ny Repoblika. Eo amin'ny faritry ny tany eken'ny lalàna iraisam-pirenena ho azy no maha masimandidy azy. Tsy misy mahazo manohintohina ny maha iray tsy anombinana ny tanin'ny Repoblika.

Andininy 2 Voarindra ho Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Repoblikan'i Madagasikara, ary iantohan'ny ny Lalàmpanorenana ny fizakantenany ara-pitantanan-draharaham-panjakana sy ara-bola.

Miara-miasa amin'ny Fanjakana foibe ho amin'ny fampandrosoana ny Firenena ireo Vondrombahoakam-paritra ireo.

Andininy 3 Miara-miasa amin'ny Fanjakana foibe ho amin'ny fampandrosoana ny Firenena ireo Vondrombahoakam-paritra ireo.

Andininy 4 "Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana " no filamatry ny Repoblikan'i Madagasikara.

Ny fanevany dia saina telo soratra : fotsy, mena, maitso vita amin'ny tsivalana telo mahitsizoro mitovy refy ka ny voalohany fotsy ary mitsangana manaraka ny tahon-tsaina, ny roa hafa mandry ka ny mena ambony ary ny maitso ambany.

" Ry Tanindrazanay Malala ô ! " no hiram-pirenena.

Ny lalàna no mametra ny fitombokasem-panjakana sy ny mari-piandrianan'ny Firenena.

Ny teny malagasy no tenim-pirenena.

Ny teny malagasy, frantsay ary anglisy no teny ofisialy.

Andininy 5 Antananarivo no renivohitry ny Repoblikan'i Madagasikara.

Andininy 6 Ny Vahoaka izay ipoiran'ny fahefana rehetra no masimandidy ka mampiasa izany amin'ny alalan'ny solontenany lany amin'ny fifidianana andraisan'ny rehetra anjara, mivantana na tsy mivantana na koa amin'ny alàlan'ny Fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy misy ampahany amin'ny vahoaka na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany.

Mpifidy avokoa, araka ny fepetra voatondron'ny lalàna, ny olom-pirenena lahy sy vavy mizaka ny zon'ny isam-batan'olona sy ny zo politika.

Didim-pitsarana raikitra no hany mahavery ny zo maha-mpifidy.

Andininy 7 Ny Lalàna dia maneho ny safidim-bahoaka. Mitovy ny olona rehetra eo anatrehan'ny Lalàna, na izy natao hiarovana, na izy natao handidy, na izy natao hamaizana.

Andininy 8 Mitovy zo ny olona rehetra eo anatrehan'ny Lalàna : samy manana fahalalahana fototra arovan'ny Lalàna ary tsy misy fanavakavahana na amin'ny maha-lahy na amin'ny maha-vavy, na amin'ny fari-pahalalàna, na amin'ny fari-piainana, na amin'ny fiaviana, na amin'ny firazanana, na amin'ny finoana, na amin'ny tsy fitovian-kevitra.

 



Tonga soa | Tenin'ny Filoha | Tahirin-tsary | Takelaka | Fifandraisana