Ireo Andrimpanjakana Malagasy
Présidence
Prezidansa
Gouvernement
Governemanta
Haute Cour Constitutionnelle
HCC
SENAT
Antenimierandoholona
Avy any ivelany
Assemblée de l'UE
Assemblée de l'UE
Parlement Panafricain
Parlement Panafricain
National Conference of State Legislature
National Conference of State Legislature
Assemblée Parlementaire de la Francophonie
L’Assemblée Parlementaire de la Francophonie
Union Africaine
Union Africaine


NY LALAMPANORENANA

SAVARANONANDO

Ny Vahoaka Malagasy masi-mandidy,
Hentitra amin'ny fanapahan-keviny hampandroso sy hampiroborobo ny fiaraha-monina marolafy, manaja ny fahasamihafana, ny harena mbamin'ny havitrihana ananan'ireo soatoavina ara-panahy sy fitsipi-piainana aman-kolontsaina anaty fiaraha-monina, isan'izany ny momba ny fihavanana sy ny finoana an'Andriamanitra Andriananahary ;

Resy lahatra fa ny Fokonolona, nalamina ho Fokontany, no sehatra hifanakalozana sy hifampierana amin'ny fandraisan'anjara mavitriky ny olom-pirenena ;

Mahatsapa ny maha zava-dehibe ny soa tsy manam-paharoa ireo loharanon-karena toa ny biby amam-borona, ireo zava-maniry sy ireo harena ankibon'ny tany izay manana fiavahany betsaka araka izay namatsian'ny natiora an'I Madagasikara azy ka tsy maintsy tandrovina ho an'ny taranaka ho avy ;

Noho ny toerana misy azy ara-politika ato anatin'ny faritra manodidina sy ny fandraisany anjara raikitra antoka eo amin'ny fifarimbonan'ny firenen-tsamihafa, ka andraisany ho toy ny nataony :

- ny Dina iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona ;

- ny Dina Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny vahoaka ;

- ny Fifanekena momba ny Zon'ny Vehivavy sy ny Ankizy ;

izay samy raisina ho isan'ny lalàna velona eto amin'ny taniny ;

Noho ny fivelaran'ny maha izy sy ny maha azy ny tena sy izay mampiavaka ny tsirairay no azo antoka ho fanoitra mandaitra ho an'ny fampandrosoana voakendry, mirindra sy maharitra, ka ny fenitra làlan-kizorana dia iaraha-manaiky fa :

- ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fifanohantohanana zary famantarana azo tsapain-tànana ny firaisam-pirenena eo amin'ny asa fanatanterahana ny teti-pampandrosoana mifandanja eo amin'ny lafiny rehetra ;

- ny fanajana sy ny fiarovana ny fahalalahana fototra zakain'ny besinimaro sy ny tsirairay ;

- ny fananganana Fanjakana tan-dalàna izay hahatonga ny mpitondra sy ny entina samy ho voafehin'ny fitsipi-dalàna mitovy eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana mahaleotena ;

- ny ady hamongorana ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra ;

- ny fitantanana amim-pahamalinana sy araka ny rariny sy hitsiny ireo harena voajanahary ilain'ny fampandrosoana ny olombelona ;

- ny fomba ampiharana ny mangarahara eo amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana ;

- ny fisarahana sy fifandanjan'ny fahefana tantanina sy ampiharina araka ny fomba demokratika ;

- ny fampiharana marina ny fitsinjaram-pahefana ;





Tonga soa | Tenin'ny Filoha | Tahirin-tsary | Takelaka | Fifandraisana