Désolé, cet article est seulement disponible en Malagasy.
An automatic translation is available:[google-translator lang= »mg »]

Tonga nanatitra fanasana ho an’ny Filohan’ny Antenimierampirenena –Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, androany alatsinainy faha 12 martsa 2018 tamin’ny 11ora atoandro ny Filohan’ny CENI –Atoa Hery RAKOTOMALALA .

IMG_6909

Amin’ny maha- lehiben’ ny Andrimpanjakana ANTENIMIERAMPIRENENA izay  misahana manokana ny  fandaniana ny lalam-pifidiana dia manasa an’Atoa Jean Max RAKOTOMANONJY ny CENI hanatrika ny lanonam-panokafana ny fihaonambe izay karakarain’izy ireo ao amin’ny “Hotel COLBERT” ny Talata faha 20 martsa 2018 amin’ny 09 ora maraina.

IMG_6915

Vahiny maro be no hasaina ary olo-manan-kaja maro dia maro no handray anjara amin’izao fihaonambe izao  izay ahitana ireo Filohan’ny CENI sy ny “Commission électorale”ao anatin’ ny Espace Francophone.

Ny lohahevitra ho dinihina mandritra ny fihaonambe dia mikasika ny raharaham-pifidianana sy ny vehivavy na hoe “élection et genre”.

Izao fihaonambe izao dia tanterahina ao anatin’ ny 3 andro: 20, 21, 22 martsa 2018 ho avy izao.

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.