Désolé, cet article est seulement disponible en Malagasy.
An automatic translation is available:[google-translator lang= »mg »]

Manatanteraka fitsidihana eto Antananarivo nanomboka ny 8 ka hatramin’ny 10 martsa 2018 ny  Parlemantera Tanora 08 mianadahy niaraka tamin’ny mpiasam-panjakana 02 avy ao amin’ny APF.

IMG_0068Fitsidihana ny Antenimierandoholona

Mivory isan-taona ireto  Parlemantera Tanora ireto ka tamin’ity taona 2018 ity dia notanterahana tany Senegal izany Fivoriana arak’asa izany ary dia  notohizana tamin’ny fitsidihana an’i Madagasikara.

IMG_0105Fitsidihana ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny

Feno dia feno ny fandaharam-potoan’ireto vahiny ireto satria dia nihaona sy nifampidinika tamin’ireto Tompon’Andraikitra Ambony isan-tsokajiny ireto izy ireo:

IMG_9903Fitsidihana ny « OIF »

  • ny “Direction Générale de l’Alliance Française d’Antananarivo”,
  • ny  Ambassadeur de l’OIF eto Madagasikara,
  • ny “Agence Universitaire de la Francophonie (AUF)”,
  • ny Filohan’ny Antenimierandoholona,
  • ny Filohan’ny Antenimierampirenena,
  • ny Ministry ny Raharaham-bahiny,
  • ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta,
  • ary ny lehibe indrindra dia ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

IMG_0134

Fitsidihana ny Praiminisitra

Teo koa ny fanatanterahana ny dinik’asa momba ny fanatsarana ny sehatr’asa ataon’ny olomboafidy ho entiny manatanteraka ny andraikiny ho fampandrosoana ireo Firenena miteny frantsay.

IMG_0183Fitsidihana ny Fiadidiana ny Repoblika

Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny tananan’ Antananarivo sy ny Valan-javaboahary eny amin’ny LE CARAT- Ambatofotsy ny dian’ireto Parlermantera Tanora ireto. Nanotrona azy ireo nandritra izao fitsidihana naharitra telo andro izao ny Solombavambahoakan’i Madagasikara – Rtoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline.

IMG_6877

Le Carat, Ambatofotsy

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.