Désolé, cet article est seulement disponible en Malagasy.
An automatic translation is available:[google-translator lang= »mg »]

Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena ny Volavolam-pandaharam-potoana nanomboka ny 05 Martsa 2018 ka hatramin’ny 09 Martsa 2018.

Ny Filohan’ny Antenimierampirenena- Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY no nitarika ny Fivoriana notronon’ny Kestora faharoa- Dr VANOVASON Jean Adrien.

IMG_9707

Toy izao izany fandaharam-potoana izany:

*Ny Alatsinainy faha 05 martsa 2018 amin’ny 10 ora maraina ny fandaniana ny Fandaharam-potoana iasan’ny Antenimierampirenena.

*Ny talata faha 06 mars 2018: Asam-baomiera handinihana Volavolan-dalàna miisa 02 izay efa nodinihana tany amin’ny Antenimierandoholona:

-Projet de Loi n°001/2018 du 17 Janvier 2018 relative à l’organisation et à la réglementation des activités statistiques,

– Projet de Loi  n°008/2018 du 21 février 2018 autorisant la ratification de l’Accord-cadre de l’Alliance Solaire Internationale par la République de Madagascar.

*Ny Alarobia faha 07 martsa sy ny Alakamisy faha 08 martsa 2018: fanomanana sy fankalazana ny Fetin’ny Vehivavy eran-tany.

*Ny zoma faha 09 martsa 2018  amin’ny 10 ora  maraina no  hivory indray ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, hisy ihany koa ny fotoana hivorian’ireo Vehivavy Parlemantera miaraka amin’ny Solontenan’ny Firaisambe Afrikana sy ny Mpiara miombon’antoka EISA.

 Amin’ny 03 ora tolakandro ny fotoam-pamaranana an’ity  Fivoriana tsy ara-potoanan’ ny Antenimierampirenena ity.

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.