Désolé, cet article est seulement disponible en Malagasy.
An automatic translation is available:[google-translator lang= »mg »]

Tonga nitsidika ny Antenimierampirenena ny  Solombavambahoaka Frantsay iray izay lany tany “LA MARNE” – Frantsa. Tsy iza izany fa Rtoa Aina KURIC.

IMG_9688

Ny Filohan’ny Antenimierampirenena -Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY  no nandray azy tao amin’ny efitrano fiasàny niaraka tamin’ireo Solombavambahoaka Malagasy  vitsivitsy.

IMG_9696

Amin’ny maha- teratany Malagasy azy dia mahatsiaro ny tanindrazany izy ka izao tonga hanangana “Groupe d’amitié” eo amin’ny Parlementa roa tonta Frantsay sy Malagasy mba hanamafy ny fifandraisana ary koa hanamora ny fiharaha-miasa amin’ireo Solombavambahoaka amin’ny fitantanana ny Vondrom-paritra fitsinjaram-pahefana.

IMG_9719

Nofaranana tamin’ny fakana sary miaraka izao fihaonana izao ho fahatsiarovana ny fandalovan-dRtoa Solombavambahoaka Frantsay -Aina KURIC teto amin’ny Antenimierampirenena.

 

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.