Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny teto amin’ny Antenimierampirenena Atoa- Ralph TIMMERMANN, talen’ny raharaha afrikana eo anivon’ny Ministera federaly Allemand misahana ny raharahambahiny niaraka taminy ny Ambasadaoron’ny Allemagne Atoa- Harald GEHRIG.

Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY Filohan’ny Antenimierampirenena no nandray ireto vahiny ireto teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

IMG_9504

Nanolotra fisaorana manokana ho an’Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY ity vahiny ity nohon’ny fandraisana azy na dia tao anatin’ny fivoriana aza ny tenany.

Ankoatra izay dia niompana tamin’ny fifandraisan’ny parlemanta roa tonta ny dinika nifanaovana.

Manantena ihany koa Atoa Ralph Timmermann fa ny Lalàna izay dinihana sy lamina mandritra ity Fivoriana tsy ara-potoana ity dia miantoka  ny fitoniana amin’ny fifidianana atrehina eto Madagasikara amin’ity taona ity.

 

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.