1.LANONAM-PANOKAFANA NY FIVORIANA VOALOHANY

TSY ARA-POTOANAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA AMIN’ITY TAONA 2018 ITY.

 Araka ny “Décret n°2018/137 tamin’ny 21 février 2018 tao amin’ny Conseil des Ministres”  izay niantso Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta dia nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy faha 26 febroary 2018 tamin’ny 03 ora folakandro ny Fivoriana teto amin’ny Antenimierampirenena- Lapan’I Tsimbazaza.

IMG_9234

 

Ny Filohan’ny Antenimierampirenena- Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY no nitarika ny fotoana. Tonga nanome voninahitra izany lanonam-panokafana izany kosa ny Filohan’ny Antenimierandoholona- Atoa Rivo RAKOTOVAO, ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta- Atoa SOLONANDRASANA Olivier Mahafaly notronin’ireo Ministra mpiara-miasa aminy ary ireo Olo-manankaja maro sivily sy miaramila tonga teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

IMG_9240

Nivoitra tamin’ny Kabary nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny fanehoana  fisaorana ny Solombavambahoaka izay tonga maro be namaly ny antso; hita taratra hoy ihany izy ny fahavononan’ny tsirairay hampandroso ny Firenena. Nambarany ihany koa fa volavolan-dalana miisa 15 no hodinihina mandritra izao Fivoriana tsy ara-potoana izao izay hahitana lalana  fehizoro, lalana tsotra izay samy miantoka ny fiainam-pirenena avy, fa ny tena mavesa-danja dia ny Volavolan-dalana momba ny fifidianana ka manentana ireo Solombavambahoaka namany izy mba samy hijoro amin’ny fahamarinana hisoroana ny korontana mety hiseho ho fitsinjovana ny mahasoa ny Firenena.

Teo am-pamaranana ny kabariny dia nohamafisin’ny  Filohan’ny Antenimierampirenena  hatrany fa ny fitoniana sy filaminana no fanalahidin’ny fahombiazana.

Nohon’ny fodiamandrin’ny Solombavambahoaka ABDILLAH izay mbola teo am-bohitra dia nisy ny iray minitra fahanginana ho fanajàna azy.

IMG_9257

 

2.LANONAM-PANOKAFANA NY FIVORIANA VOALOHANY

 TSY ARA-POTOANAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA AMIN’ITY TAONA 2018 ITY.

Araka ny “Décret n°2018/137 tamin’ny 21 février 2018 tao amin’ny Conseil des Ministres”  izay niantso Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta dia nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy faha 26 febroary 2018 tamin’ny 04 ora sy sasany folakandro ny Fivoriana tao amin’ny Antenimierandoholona- Lapa Maitso Anosy.

IMG_9288

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona- Atoa Rivo RAKOTOVAO no nitarika ny fotoana. Tonga nanome voninahitra izany lanonam-panokafana izany kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena- Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY, ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta- Atoa SOLONANDRASANA Olivier Mahafaly ary ireo Olo-manankaja maro sivily sy miaramila.

IMG_9279

Noantitranterin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona  tamin’ny lahateny nataony ny maha-zava-dehibe izao fotoam-pivoriana izao hoan’ny Firenena Malagasy ary nentaniny ireo Loholona namany mba hanatrika hatramin’ny farany izany fotoam-pivoriana izany.

IMG_9285

 

 

 

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.