IMG_8027

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierampirenena- Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza Ramatoa Yvette RABAIRE- Tale sady Mpitantana ny “JSI Research and Training Institute- INC”, ny Alatsinainy faha 15 Janoary 2018 tamin’ny 04 ora folakandro.

IMG_8024

Izao fihaonana izao dia nentina nampahafantarana sy nanazavana ny sehatra irotsahan’ny “JSI” ka hita taratra tamin’izany fa misehatra mivantana eny anivon’ny Fokontany izy ireo. Faritra fito no misitraka mivantana izao Tetik’asa izao: Menabe, Melaky, Boeny, Sofia, Diana, Sava, ary Analanjirofo, ka ny lafiny ara-pahasalamana (santé communautaire) no tena imasohany.

Nivohitra tao anatin’izao dinika nifanaovan’ireto Vahiny ireto tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena- Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa entina hanatsarana bebe kokoa ny fandrindrana ireo Tetik’asa eny ifotony.

Réagir

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

You may use these HTML tags and attributes: <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>